POLISY MONISIPALY

Efa lasa mpanenjika mpampiaraka ihany koa ?


  • Alarobia 19 Jona 2024

Nahazo asa vaovao indray ny polisy monisipaly. Ankoatra ny asa efa nanofanana azy ireny mantsy

dia fantatra fa misy amin’izy ireny no lasa mpanenjika mpifankatia mpampiaraka ihany koa toy ny tranga niseho teny amin’ny lalam-baovao ny faran’ny herinandro teo. Tovolahy iray mampiaraka tamin’ny olon-tiany teny amin’io toerana io no fantatra fa nanamparan’izy ireo fahefana nefa tsy nanao na inona na inona akory. Miisa 3 lahy ireo polisy monisipaly no nitondra avy hatrany ilay tovolahy nandeha raha nalefany nody kosa ilay sakaizany. Nampandohalihany nandritra ny adin’ny telo ilay tovolahy hoy ny fanazavana azo. Noesoriny ihany koa ny kirarony no sady nokapohiny ny faladian-tongony. Ankoatra izay dia fantatra fa notakian’ireo Polisy monisipaly ireo vola 300. 000 Ariary ihany koa. Nipetraka tamin’ny toerana tsy azo idirana hono mantsy ilay tovolahy sy ny sakaizany. Tsy nanaiky izany anefa ity farany ka nitohy hatrany ny kapoka tamin’ny tahon-kifafa. Nosavain’ireo polisy monisipaly ihany koa ny entana teny aminy, hoy ny fanazavana ka vola 140. 000 Ariary hividianana entana no tao. Nalain’izy ireo io vola io hoy hatrany ny fanazavany , ka 400 Ariary sisa tany aminy. Nambaran’ity tovolahy ity moa fa nandrahona azy tsy hitantara na amin’iza na amin’iza izao tranga izao ireo polisy monisipaly telolahy ireo nefa tsy vitany ny tsy hitaraina noho ny hirifiry nahazo azy. Miantso ireo tompon’andraikitra mifehy sy miadidy ireo polisy monisipaly araka izany ity tovolahy iray ity mba hijery akaiky ny fanamparam-pahefana hataon’izy ireny amin’ireo madinika toa azy.
Nangonin’i Pati
Sary indrana : Tety amin’ity toerana ity no nitrangan’ilay tantara !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT