Zanaka polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’Alasora miisa 90 no notolorana tohana fanabezana na “aide scolaire” ho fanamaivanana ny fidiran’ny mpianatra.
Ny lehiben’ny fikambanan’ny vadina polisy na ny FIVAPOVA sy ny kaomisarian’ Alasora no nanolotra izany nahitana pack- na kahie 100 pejy maromaro, ardoazy, stylo, kahie 200 pejy maromaro, fitsipika… Vokatry ny fiaraha-miasan’ny FIVAPOVA tamina olon-tsotra tsara sitrapo tsy nitonona anarana no angady nananana sy vy nahitana izany ho fanampiana ny polisy amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao. Tsiahivina moa fa mandany vola hatrany amin’ny 3 hetsy Ar isaky ny mpianatra ny Ray.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.