Actualités

Polisim-pirenena Toamasina Tompon’andraikitra maromaro nafindra toerana


  • Alakamisy 19 Jona 2014

Tompon’andraikitra maromaro eo anivon’ny polisim-pirenena ao Toamasina no nafindra toerana.

Voalaza fa politika noraisin’ny minisitry ny filaminana anatiny ny Jly Randimbisoa Blaise Richard, ho fanomezana aina ny fandrindrana ny filaminam-bahoaka isam-paritra no antony. Taorian’ny kaomisera misahana an’i Toamasina I sy ny talen’ny polisim-pirenena tao Toamasina, dia fantatra izao fa hiova avokoa ireo tompon’andraikitra samy hafa. Eo ny polisy misahana ny ady ara-bola sy ara-barotra izay hafindra any Moramanga, ny kaomisera misahana ny sisin-tany hafindra eo anivon’ny seranan-tsambo, ny kaomisera misahana ny mpiasan’ny polisy ao Toamasina hifindra eo anivon’ny polisy misahana ny sisin-tany ary ny komandan’ny hery vonjy taitran’ny polisy (FIP) hifindra any Fianarantsoa. Re anefa fa misy ny fanangonan-tsonia ataon’ny Fokontany maromaro, indrindra ireo faritra mena, mangataka ny hitazonana ny lehiben’ny FIP Toamasina.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT