Actualités

Polisim-pirenena Nomen’ny Sinoa Talkie Walkie 30


  • Alakamisy 03 Jolay 2014

Nahazo fitaovam-pifandraisana vaovao ny Polisim-pirenena, Téléphone 4G marika Huawei (Talkie-walkie) miisa 30 avy amin’ny orinasa Sinoa Huawei Madagascar.....

Ny Tale jeneralin’ity orinasa ity no nanolotra izany tetsy amin’ny Motel Anosy izay nilaza fa hanampiana ny Polisim-pirenena amin’ny fanatanterahana ny asany izao fanomezana izao. Tonga nandray izany tamin’ny anaran’ny Polisim-pirenena kosa ny Minisitry ny filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Randimbisoa Blaise Richard izay nanamarika fa endriky ny fitohizan’ny raharaham-panjakana izao satria ny Minisitra teo aloha no nanao sonia ny fifanekem-piaraha-miasa herintaona lasa, amin’izao andro izao kosa no tanteraka izany. Nambarany ihany koa fa entina hanatsarana ny asan’ny Polisim-pirenena ny fahazoana ireto fitaovana ireto ary tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana ireo vina telon’ny Minisitera, indrindra ny ady amin’ny asan-jiolahy. Nentaniny ny Polisy tsirairay mba hahay hanaja sy hikolokolo ny fitaovana sarobidy toy izao. Teo am-pamaranana ny lanonana dia nisy ny fampisehoana andrana natao tamin’ireto fitaovana ireto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT