Actualités

Polisim-pirenena Nandamina ny teny Anosibe sy ny manodidina


  • Sabotsy 11 Aprily 2020

Nanomboka ny alakamisy lasa teo dia nisy barazy teo amin` ireo faritra hahafahana miditra ao Anosibe: Namontana, Anosizato, 67Ha eo amin` ny JIRAMA, Seoul Hotel Andavamamba, Anosipatrana…

 

 

 

Tsy nisy fiara afaka niditra na dia misy aza ireo manana fahazoan-dalana manokana. Antony, tao anatin` ny roa andro dia nanao ny fomba rehetra nandaminana ny faritra Anosibe sy ny manodidina ny polisim-pirenena. Misy ny fanentanana sy ny fampiharana ny lalàna mikasika ny fihibohana. Mendri-piderana ny fihetsiky ny polisy satria ity faritra ity no tena anisan` ireo miaina anaty gaboraraka tanteraka. Amin` izao krizy ara-pahasalamana izao dia fotoana handaminana ny tanàna mihitsy izao. Saingy ny zava-misy, alamina kanefa miverina foana ny gaboraraka. Tokony arahana fanabeazana mihitsy. Atao isan-andro ny fanadiovana sy ny fandaminana. Tsy ny tanàna sy ny tsena irery ihany mantsy no maloto fa ny ao an-tsain` ny olona mihitsy no mila fanadiovana. Izay ilay hoe “miovà amin`ny fanavaozana ny saina”. Ao anatin` ny vanim-potoanan` ny Paska izao fa fotoana ny “fahaterahana vaovao”.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT