Tontosa teny amin’ny sekoly fanofanana ho Polisy eny Ivato omaly ny lanonana famindram-pahefana teo amin’ny Tale jeneralin’ny polisim-pirenena teo aloha Rakotondratsima Désiré Johnson sy ny vaovao Andriamampionona Jean Rolland. Lanonana natrehin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Nanaitra ny filazan’ny Tale jeneraly vaovaon’ny Polisim-pirenena fa hanaparitaka ny fitsipika anatin’ny polisim-pirenena, fa mbola betsaka no tsy mahalala any ambanivolo any. F’angaha moa miandry am-perinasa vao tokony hahalala fitsipika anatiny ? Mbola any an-tsekoly mandritra ny fiofanana dia efa ianarana sy ampahafantarina ary fehezina izany. Tsy mahagaga raha maro ny fihoaram-pefy hita teo anivon’ity vondrona iray ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.