Poizina sy loza ara-pahasalamana goavana

« Manaitra ny SADC ! Miantso fanadihadiana iraisam-pirenena ! »


  • Alarobia 23 Jolay 2025

Teratany Malagasy iray monina any ivelany, dia i Vanessa Manonga,

izay fantatra amin’ny maha mpampaneno lakolosy azy, no namoaka hafatra misokatra manaitra sy manindrahindra ny tokony hisian'ny mangarahara eo anatrehan’ny zava-misy mampiahiahy ara-pahasalamana eto Madagasikara. Hafatra miantefa amin’ny Sekretera Mpanatanteraky ny Fikambanan’ny Fampandrosoana an’i Afrika Atsimo (SADC) no navoakany, milaza am-pahatsorana hoe : « Manana adidy aho hampitandrina amin’ny toe-javatra mampiahiahy sy tena mampanahy ara-pahasalamana izay mitranga amin’izao fotoana izao eto Madagasikara ». Nampahafantatra fa nandritra ny herinandro maromaro izay, dia misy poizina mahafaty mivezivezy eto amin'ny firenena, izay nahafaty olona marobe tampoka sy mifanindran-dàlana amin'ny toerana sy fotoana samihafa. Ny tranga nahabe resaka indrindra sy tena mampalahelo dia ny zava-nitranga nandritra ny fankalazana tsingerintaona nahaterahana iray teto Antananarivo tamin'ny volana jona 2025, izay olona 31 no namoy ny ainy tamin’ny fomba mampiahiahy, ahiahiana ho vokatry ny fanapoizinana faobe. Misy tranga mitovy amin’izany ihany koa tatitra voaray avy amin’ny faritra maro samihafa manerana an’i Madagasikara, hoy izy. « Hatramin’izao dia tsy mbola fantatra mazava ny toetra marina sy ny anaran’ilay poizina mahafaty, ary toa tazonin’ny manam-pahefana ho tsiambaratelo izany. Io fitoniana sy fahanginana io, ampiana ny tsy fisian’ny fanambarana ofisialy avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka tarihin’i Randriamanantany Zely, dia mampidi-doza mafy ho an’ny vahoaka manontolo », hoy i Vanessa Manonga. Tsy mbola nisy fanentanana natao, tsy nisy fampitandremana navoaka ho an’ny besinimaro, tsy nisy toromarika ho fiarovana sy fepetra noraisina, na fanazavana momba ny mety ho loza manambana ny fahasalaman’ny olona. « Izany fahanginana sy tsy fandraisana andraikitra izany dia fandikana mivantana ny andraikitra masina hiarovana ny fahasalamam-bahoaka », hoy ity farany. Izany indrindra, hoy izy, no antony anoratana aminareo, amin’ny maha fikambanana rejionaly anareo, mba hanao fepetra maika sy hentitra: Hangataka fanazavana mazava sy mangarahara momba ilay poizina sy ny anton'ireo fahafatesana; Hitaky fanadihadiana mahaleotena sy iraisam-pirenena momba ity raharaha ity; Hiantso ny fanjakana Malagasy hanatanteraka avy hatrany ireo fepetra fiarovana sy fampitandremana ho an’ny vahoaka amin’ny ambaratonga manerana ny Nosy,... Isan’ny nomarihina mba hahita ity antso ity ny Amnesty International, OMS, eny fa hatramin’ny Firenena Mikambana sy ny rafitra samihafa misahana ny zon’olombelona aza, dia nomarihin’ny mpanara-baovao mba hahita izany. Iray volana latsaka mialohan’ny fikofokofohan’ny Fanjakana Rajoelina handray ny fivoriamben’ny SADC no mafana ity raharaha ity !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT