PM Herintsalama Rajaonarivelo

« Tsy maintsy fongorina ny


  • Alakamisy 13 Novambra 2025

tsimatimanota ! Tsy hanavahana ! »

Manenjana ny Fanjakana manoloana ny raharaha maloto sy kolikoly samihafa. Nampahatsiahy ny Fiadidian’ny Primatiora manoloana ny toe-draharaha ankehitriny sy ny fitakian’ny vahoaka amin’ny famerana ny tombontsoa azon’ireo tomponandraikim-panjakana sy politika ary amin’ny fanenjehana ny tsimatimanota, fa ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, dia nanome toromarika mazava ho an’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, tamin’ny alalan’ny taratasy laharana faha-053-PM/2 ny 06 novambra 2025. Tafiditra ao anatin’ny politika fototra napetraky ny Governemanta ho fampiharana ny Fanavaozana marina sy ny fanamafisana ny mangarahara amin’ny fitantanana ny raharaham-bahoaka io toromarika io. Nanamafy ny Lehiben’ny Governemanta fa tsy maintsy hentitra ny fampiharana ny lalàna, tsy misy fanavahana toerana na satan’ny olona,... Ny votoatin’ny toromarika dia mifantoka amin’ny teboka roa lehibe roa: ny fitovian’ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna, izay manaisotra ny zo tsy ho azo henjehina na «immunité » amin’ireo tranga tsy mifandray amin’ny andraikitra na asam-panjakana. Faharoa ny fanafainganana ny fitsarana, izay mandidy fa ny tsy fanarahan-dalàna rehetra hita ao anatin’ny tatitra sy fanaraha-maso ataon’ny Fitsarana momba ny Kaonty dia tsy maintsy dinihina amin’ny lafiny heloka bevava ary raha ilaina dia henjehina araka ny lalàna. Noho izany, ny raharaha rehetra maka endrika heloka bevava dia entina eo anatrehan’ny Fitsarana iraisan’ny daholobe, ary azo heverina ny fandraisana anjara mivantana ataon’ny Fanjakana Malagasy amin’ny maha-mpitory azy, ho fiarovana ny tombontsoam-pirenena sy ny fananam-bahoaka. Io fepetra noraisin’ny Praiminisitra io dia tafiditra ao anatin’ny dingan’ny fanadiovana sy fanarenana ny fitantanana ny raharaham-panjakana, izay mikendry ny famerenana ny fahatokisan’ny vahoaka sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny Fanjakana, ary mifanaraka amin’ny politikan’ny fanavaozam-pirenena, raha ny fanamafisana. Tanjona ny fanehoana amin’ny fomba mazava sy azo tsapain-tanana ny tamberin’andraikitra sy ny mangarahara, ho famongorana tanteraka ny tsimatimanota eo anivon’ny rafitra sy ny fitantanana ny Fanjakana, ka mampiseho mazava ny fikasan’ny Governemantan’ny Fanavaozana hamerenana ny rariny, ny fitoviana ary ny fahamarinana, araka ny fitakian’ny Vahoaka Malagasy.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT