ireo tohana iraisam-pirenena »
Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani izay nandrava tanteraka ny Faritra Atsinanana sy faritra maro hafa, dia nanao antso maika ny Governemanta Malagasy ho fanohanana avy amin’ny fiarahamonina iraisampirenena. Natao tao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, ny fihaonana ofisialy notarihin’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta sy solontena diplaomatika ary fikambanana iraisampirenena. Naneho fanohanana mazava ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ho mariky ny firaisankina amin’i Madagasikara amin’izao fotoan-tsarotra izao. Notsindrin’ny Praiminisitra fa tena goavana ny fahasimbana ary mbola tsy ampy ny loharanom-bola sy fitaovana eo am-pelatanan’ny Fanjakana hanarenana ny fotodrafitrasa rava sy hanampiana ireo mponina very fananana. Nambarany fa ny fanarenana haingana sy mahomby no laharam-pahamehana, ary tsy maintsy miorina amin’ny fiaraha-mientana sy firaisankina amin’ny mpiara-miombon’antoka iraisampirenena izany. Nanome toky izy fa hotantanana ao anatin’ny fangaraharana sy fahitsiana ny fanampiana rehetra azo, ary tsy hisy fandeferana amin’izay manandrana hanodina na hampiasa tsy araka ny tokony ho izy ny fanampiana natokana ho an’ny vahoaka. Na dia marefo aza ny firenena amin’izao fotoana izao, dia nanamafy ny Praiminisitra fa vonona hanangana fotodrafitrasa maharitra sy hanavao ny fomba fisainana ny Fanjakana. Nampahatsiahy ny rehetra izy fa ny firaisankina sy ny fandraisana andraikitra iombonana no fototra hahafahana mandresy ny zava-tsarotra sy manangana indray ny firenena. Efa nanomboka nanambara sy namoaka vola moa ny sehatra iraisam-pirenena tamin’iny herinandro iny toy ny Banky iraisam-pirenena izay namoaka 37 tapitrisa dolara na 163 miliara Ar eo, ny Firenena sinoa namoaka 100 tapitrisa yeun na 65 miliara Ar eo, ny ONU namoaka 5 tapitrisa dolara na 22,2 miliara Ar,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.