Plaza Ampefiloha, herintaona aty aoriana

Sotasota fotsiny no nakana azy, potika sy mipetra-potsiny ao


  • Alatsinainy 03 Febroary 2025

Herintaona katroka omaly ny nanongotana teo am-pelantanan’ny mpandraharaha Raobelina Andry

sy ny orinasany ny Plaza Antanimena. « Herintaona tahaka izao no nandalo raho-mainty ny orinasa Canal7 Events rehefa nesorin’ny Fanjakana tamin-kery tao amin’ny Plaza Ampefiloha. Fotoana nahaketraka ny mpiara-miasa, namoizana ain’olona, nahavery ny fanantenan’ny tanora sy ny mpianatra maro noho ity toerana ity efa napetraka hanasongadinana ny ara-kolontsaina, ny ara-panabeazana, namolavolana tanora maro ihany koa sy ny marohafa. Aiza anefa isika izao herintaona aty aoriana? Samy mahita isika fa mijanona ho trano rava, trano haolo, trano ngazana ity toerana ity ankehitriny. », io no fanehoan-kevitra fohy avy amin’ny orinasa lasibatra omaly. Raha hiverenana fohy, nendahin’ny Fanjakana tao amin’ity toerana ity ny orinasan’ny mpandraharaha Raobelina Andry satria nambara fa ilain’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ny toerana. Fotodrafitrasa potika sy rava, fifohana rongony, fanaovana maloto,… no nohajarian’io mpandraharaha io, izay nifanarahana tamin’ny Fanjakana tamin’ny fotoan’androny, ka ny fampiasana io toerana io no tambin’ny fanajariana azy. Noho ny tsy fitovian-kevitra ara-politika anefa, notsoahana tamin’ny nanajary azy ny toerana izay nampiasaina tamin’ny hetsika ara-kolontsaina, fanabeazana,… Ankehitriny, tsy hita hoe : natao inona, fa dia mipetra-potsiny sy miha potika kanefa dia namoizana ain’olona mihitsy ny fihazakazahana nanala ireo nanajary azy. Izay ilay hoe : aleo lo toy izay ho an-kavana, sotroranon’alika ka tsy hetaheta fa sotasota, ny fankahalana no lehibe indrindra,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT