Actualités

Plan d’urgence sociale Mpamily sy resevera 1000 nahazo fanampiana


  • Alatsinainy 30 Martsa 2020

Nanomboka ny sabotsy teo ny fizarana ny fanampiana ho an’ireo mpamily fiara karetsaka sy taxi-be ary ireo mpanampy azy eto amintsika tafiditra ao anatin’ilay plan d’urgence sociale,

 

 

 fampanantenana nataon’ny filoha Andry Rajoelina noho ny fisian’ilay tsy fahafahana miasa sy mivezivezy mandritra ny 15 andro. Tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely no nanatanterahana izany ka miisa 1.000 sahady ireo efa nisitraka izany. Fotsim-bary 25 kg niampy karazam-bokatra sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro no nozaraina tamin’izany izay tsy lavitr’ilay 100.000 Ar nantenain’ny rehetra raha vidiana vola. Tsy maintsy nitondra ny antontan-taratasin’ny fiara entiny, ny badge hahafantarana fa mpamily ao anatina koperativa iray ilay nandray ny fanampiana…. antony nanamora ny fizarana. Ankoatra ny fitsapana hafanana, ny fanosorana gel amin’ny tanana iadiana amin’ny mikraoba dia voahaja tanteraka ilay elanelana 1 metatra teo amin’ny samy mpamily ho fiarovana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus. Nilamina ny fitsinjarana izany tamin’izany ankapobeny ary nahafaly ireo mpamily sy ny mpanampy azy tokoa. Nankasitraka feno ireo ekipany niara-nisalahy taminy ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina. Mbola haharitra 3 andro ny hetsika.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT