Efa fomba nahazatra hatrizay ny mifampiarahaba sy mifampirary soa
rehefa taom-baovao tahaka izao, eo amin'ny fianakaviana, mpinamana, mpiara miasa, mpiara mivavaka...Arahana fiaraha misakafo sy fety izany avy eo. Misy ireo mikarakara ny zava-drehetra ao an-tokantrano fa efa maro ihany koa ireo misafidy ny mamonjy toerana manokana voatokana ho amina hetsika tahaka izany.
Anisan'ireny ny PHO Resto
Toerana afaka hanaovana fifampiarahabana, ahitana azy ny eny Bel'Air, Ampasamadinika, Ankorondrano .Tsy misy hofany ny trano (0 Ar) ...maro ny sakafo sy zava-pisotro azo isafidianana..Ankoatry ny efitrano lehibe dia manana salles privées sy Térasse ihany koa ny PHO Resto. Noezahana samy hahita ny mety aminy sy izay tandrify azy ireo olona tonga eto aminay hoy ny tompon'andraikitra avy ao amin'ny PHO Resto. Na ny ankizy io, na tanora, na ireo efa zokinjokiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.