PHO Resto Bel'Air

Niharana firehetana ihany koa


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2023

Taorian’ireo antsojay hafa maro nihatra tamin’ny kandida ho filoham-pirenena laharana voalohany na N°1,

Tahina Razafinjoelina sy ireo mpanaradia azy, isan’izany ny vakitrano nihatra tamin’ny foiben-toeran’ny vovonana politika Firaisankinan’ny Tia tanindrazana na FTT sy ny fandratrana tomponandraikitr’ity vovonana ity tany amin’ny faritany dia niharana firehetana koa ny alin’ny 27 oktobra teo ny ampahany amin'ny trano fisakafoana PHO Resto Bel'Air etsy Ampandrana, Antananarivo. May tanteraka tsy nisy azo noraisina ny lakozia sy ny toerana hafa manakaiky azy, raha ny angom-baovao voaray. Tao ihany koa no tombanana fa niandohan'ny afo. Tsy mbola fantatra mazava hatreto ny anton’ny firehetana fa dia miandry ny valin’ny fanadihadiana. Isan’ireo mpiara-miombon’antoka eo anivon’ity toeram-pisakafoana ity, raha tsiahivina, ny kandida Tahina Razafinjoelina. Mbola isan’ny azo lazaina ho sotasota atao amin’ity kandida ity sy ny ekipany hatrany ve sa tena firehetana noho ny olana ara-tekinika na hafa? Andrasana hatrany ny vokatry ny fanadihadiana!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT