PETY RAKOTONIAINA

« Mila mpanara-maso matanjaka isika ! »


  • Alarobia 19 Novambra 2025

Efa ao anatin'ny fanovana isika izao hoy

ny depiote Pety Rakotoniaina voafidy tany amin'iny distrikan'Ikalamavony. Maika ny fametrahana mpanara-maso matanjaka hoy hatrany izy indrindra fa ny eo amin'ny lafiny fitantanana ara-bola. Tsy mety ny fampifandraisana lalina ny IGE Inspection general de l'état sy ny fiadidian'ny Repoblika toy ny teo aloha. Ny Antenimieram-pirenena no tokony hifamatotra amin'ny IGE hoy hatrany izy amin'ny mpanara-maso ny volam-bahoaka ny solombavambahoaka. Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ny orinasa JIRAMA. Misy zavatra tsy mazava ny fitantanana ity orinasa mpamatsy jiro sy rano ity raha ny nambarany. Ny orinasa no mampanofa ny fitaovana mpamokatra herinaratra na ny groupe raha ny nambarany dia ny hofany misy kopaka hisasahana amin'ny mpitondra, antony miteraka fatiantoka mihoampampana ho an'ny Jirama. Toraka izany koa ny famokarana herinaratra. Voalaza fa 409 Mgwatt no vokarina hoy izy ary alohan'ny fanjakana nefa tsy misy afa-tsy 232 Mgwatt izany. Ny vahoaka no asaina mandoa io GAP 177 Mgwatt io hoy hatrany izy izay tokony hanokafana fanadihadiana lalina. Tokony havaozina sy amboarina avokoa izay mety hoy ny solombavambahoaka Pety Rakotoniaina.
Pati
Légende : Pety Rakotoniaina, solombavambahoaka voafidy tany amin'iny distrikan'Ikalamavony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT