Actualités

Pety Rakotoniaina Gadra herintaona an-tranomaizina sazy mihatra


  • Talata 04 Aogositra 2015

Nilatsaka ny didy ! Nomelohin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Fianarantsoa hisazy herintaona an-tranomaizina sazy mihatra miampy lamandy enina hetsy

 

 Ariary ny filoha nasionalin’ny antoko Tambatra sady kandida Ben’ny tanàna tao Fianarantsoa tamin’ny fifidianana kaominaly natao ny 31 jolay 2015 teo, vokatry ny nandravany trano fisainana sy nisavan’ireo mpiaradia aminy ireo mpifidy tamina biraom-pifidianana tao Ambatomena ny andron’ny fifidianana. Tsy nampidirina am-ponja avy hatrany anefa izy taorian’ny famoahana ny didy. Raha ny fanazavana dia satria tsy notanana vonjimaika izy talohan’ny fitsarana, izy rahateo nanao fampakarana ny raharaha amin’ny Fitsarana ambony, ka izay no voalaza fa antony. Nivoaka ny efitrano fitsarana i Pety Rakotoniaina taorian’izay, niaraka tamin’ireo mpiaradia aminy tonga maro nanotrona azy, ary nitety tanàna avy eo nifamotoana teo amin’ny Kianjan’ny demokrasia Ampasambazaha. Tao no niantsoany ny vahoakan’i Fianarantsoa hijoro hiaro ny safidy, ka hanohitra ny tsy rariny sy ny hala-bato.


 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT