Mitondra tombony 18 miliara Ariary ho an’ny fanjakana Malagasy ny fananany
petra-bola ao amin'ny orinasa Star. Nahitana fiakarany 35% izany tao anatin’ny herintaona, raha araka ny vaovao azo. Orinasa goavana sy lohalaharana eo amin’ny sehatry ny famokarana ny Star raha tsiahivina ka manamafy ny toerany amin’ny maha -mpisehatra stratejika azy eo amin’ny toe-karena malagasy. Amin’ny mahatompona petra-bola ny fanjakana malagasy eo anivon’ny orinasa dia nitondra tombony 18 442 780 000 Ariary ho an’ny kitapom-bolam-panjakana ny Star tamin'ny taona 2024. Nahitana fiakarany 35% io ampaham-bola azon’ny fanjakana io, raha oharina ny tamin’ny taona 2023.Mampiseho izany fa mitondra voka-tsoa mivantana ho an’ny fampitomboana ny volam-panjakana ity orinasa ity. Ankoatra io tombony azon’ny fanjakana amin’ny fananany petra-bola io dia orinasa faharoa mandoa hetra be indrindra eto Madagasikara ihany koa ny orinasa Star. Ny fisian’ny fiaraha-miasa amin’ireo tantsaha maherin’ny 19 000, ny famoronana asa aman’arivony ary ny famatsiana vokatra tsara kalitao ho an’ny mpanjifa dia mbola mampiseho ihany koa fa isan’ireo andry hankinan’ny toe-karena malagasy izy. Mba hitsinjovana ny fitohizan’izany vokatra miabo izany dia zava-dehibe ny fisian’ny fepetra ara-ketra afaka manosika ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola, ny famoronan’asa izay mitarika ny fampivoarana hatrany ny toe-karena. Toraka izany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina izay hangatahan'ny orinasa Star ny hampiroboroboana azy.
Pati
Légende : Mampiditra hetra betsaka eto amin'ny firenena ny famokaran'ny orinasa Star zava-pisotro marobe tahaka izao !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.