Manempotra mila tsy ho azo hiainana intsony ny fofom-pako eny amin’ny Petite Vitesse, Kaominina Antananarivo renivohitra.
Mikolay hatramin’ireo mpandeha any anaty fiara fitateram-bahoaka mampiasa iny lalana iny noho ny herin’izany fofom-pako izany. Raha araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia efa ho andro maromaro izao no tsy nisy naka intsony ny fako teny amin’iny faritra iny. Tsy afa-manoatra noho izany ireo mpivarotra sy mponina eny an-toerana fa tsy maintsy miharitra hany ka tsy vitsy ireo lasa mikohoka sy voan’ny sery. Ankoatra ny fofona entin’ity fako mivangongo eny amin’ny Petite Vitesse ity moa dia efa mitobaka ivelan’ny baka ihany koa izany hany tsy misy lalana azo aleha intsony. Mitombo betsaka ihany koa ny voalavo sy ny lalitra noho io antony io ihany. Andrasana araka izany ny fandraisan’andraikitr’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny SAMVA. Saika voaresaka avokoa mantsy tamin’ny faran’ny herinandro teo ny asa hotanterahin’ny PDS vaovao sy ireo ekipa miaraka aminy. Tokony ho lohalaharana ao anatin’izany ny fandraofana ny fako, indrindra amin’izao fahavokaran’ny manga sy ny lodisia izao.
Pati
Legende : Miverina mivangongo indray ny fako eto Antananarivo renivohitra !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.