« perquisition fôpla »

teny Ambohibao Antehiroka Voamarina fa tsy


  • Alakamisy 27 Novambra 2025

nisy nidiran'ireo olon’ny kaominina

Tsy izay atao fanadihadiana akory dia meloka, hoy ny ben'ny tananan'ny kaominina Ambohibao Antehiroka, Toky Harilanto Andrianarivelo omaly. Ny Alatsinainy 24 novambra 2025 dia tonga ny mpanao fanadihadiana eo anivon'ny sampana fikarohana heloka bevava avy ao Fiadanana naka mpiasa roa eto amin'ny Kaominina Antehiroka, hoy izy, dia Andrianjafitsalama Solofoniaina, Sekretera Jeneraly, sy Razafindrakoto Germain, Mpanara-maso. Voaantso ho atao fanadihadiana izy ireo noho ny fitoriana nataon'ny Ben'ny tananan'Antehiroka teo aloha izay milaza fa anisan'ireo mpitsikombakomba tamin'ny resaka "Perquisiton fopla" na fisavana toerana tamin'ny fomba tsy ara-dalàna, izay nitranga ny sabotsy 22 novambra 2025. Gaga sy talanjona ny rehetra ary manamafy izy mirahalahy fa tondro-molotra sy fanasoketana fotsiny ihany izao ary tsy maintsy hipoitra ny tena marina. Ny Ben'ny tanàna sy ireo mpanolotsaina rehetra ary ny mpiara miasa rehetra eto amin'ny kaominina dia miombom-po sy mankahery azy ireo amin'ny sedra lalovan'izy ireo izao. Maneho firaisankina tanteraka aminareo ny mpiara miasa rehetra. Matoky tanteraka ireo rafitra mpanao fanadihadiana sy ny fitsarana mahefa izahay mba hampanjaka ny marina ka hanenjika ireo tena tompon-keloka ary hanafaka ireo olo-marina kosa. Fotoanan'ny fanovana izao, aleo ny mpanao fanadihadiana hanao ny asany an-kalalahana sy am-pahamarinana. Aoka, noho izany, tsy hisy ny mety ho tsindry avy any amin-dRakoto na Rabe. Miantso ny vahoaka an'Antehiroka ho tony fa matoky ny mpanao fanadihadiana sy ny fitsarana isika ary miandry am-pahendrena ny vokatr'izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao avy eo anivon'ny kaominina. Nampahafantatra moa ny ben'ny tanana omaly fa efa namonjy ny fonenany ireto voapanga ireto rehefa voamarina fa tsy nisy nidiran'izy ireo ity raharaha ity.
Nangonin'i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT