Actualités

PEPINIERAN’ANTSIRABE: SANGANY AMIN’NY FAMOKARANA ZANAKAZO


  • Alakamisy 31 Jolay 2014

Anisan’ireo mpamokatra zanakazo sangany eto Madagasikara ny Pepinieran’Antsirabe izay efa ny taona 1980 no nijoroany. Ara-tantara dia izy no nisantatra ny famokarana zanakazo fihinam-boa teto Madagasikara ary nampianatra ireo hafa nijoro taty aoriana.

Nambaran’Atoa Raholiarimanana Jaona, Filoha sy Tale mpitantana ny Pepinieran’Antsirabe dia mbola manana ny mampiavaka azy izy ireo amin’izao fotoana satria saika karazan-janakazo avy any ivelany mahatanty ny toetr’andro eto Madagasikara no ataon’izy ireo grefy amin’ny zanakazo eto amintsika sy aparitaka raha tsy hilaza afa tsy ny karazana voasary izay avy any Amerika avokoa no hakana azy. Tahaka izany ihany koa ny zanakazo paoma, izay hafarana manokana avy any Eoropa ny zanany ka ananan’izy ireo karazany be dia be. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity fa saika manerana an’i Madagasikara mihitsy ny fanapariahan’izy ireo ny zanakazo, izay mifanaraka tanteraka amin’ny filan’ny faritra rehetra ary ampy ho amin’izany ny zanakazo ao amin’izy ireo. Fa anisan’ny nambarany ihany koa fa tsy tapaka ny
manatrika sy mandray anjara amina foara sy hetsika goavana toy ny FIER-MADA sy ny maro hafa manerana ny Nosy hatrany izy ireo mba hampandrosoana ny lafiny famokarana voankazo ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. Amin’izao fotoana mantsy, hoy izy dia maika amin’ny vokatra ny mpamokatra ka mamaly izany tokoa ny zanakazo avoakan’izy ireo satria fotoana fohy dia ahazoana vokatra ny azy ireo. Ankoatra ireo moa dia mamokatra ireo zanakazo sy zavamaniry fakana loha-menaka sy mamokatra tantely ihany koa izy ireo ary hifamotoana amin’ny mpanjifa sy ireo liana amin’ireo tolotra misy ao aminy indray amin’ny hetsika Fier-Mada ho avy io. Raha tsiahivina dia ny « Pépinière de la Mania » no anarany tany aloha izay niaraka tamin’ny mpamatsy vola tamin’izany saingy efa mahaleotena tanteraka ankehitriny ary eto Vakinankaratra no foibeny amin’izao fotoana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT