Actualités

Penjy Randrianarisoa Mitohy ny fanamboaran-dalana eny Ivato


  • Talata 24 Oktobra 2017

Lalana mirefy 1 km no hamboarina hatao rarivato ao amin’ny kartie K7 eny amin’ny kaominina Ivato, Distrika Ambohidratrimo.

 Toerana ifamezivezen’ny mponina ity lalana ity ary efa an-taona maro tsy nisy nanamboatra. Efa notrongisina nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny lalana hampitovy tantana azy. Miditra amin’ny fandavahana ny tatatra andehanan’ny rano ny mpiasa amin’izao fotoana. Ezahina hovitaina ao anatin’ny 2 volana ny asa iarahana amin’ny mpandraharaha eny an-toerana. Nidina nijery ity fanamboaran-dalana ity ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa omaly. Nampanantena ny ben’ny tanàna fa hovitaina hatramin’ny herintaona avokoa ny lalana rehetra ao an-tanànan’Ivato, anisan’izany ny lalana ao amin’ny tanànan’Ampandroana. Hanomboka amin’ny herinandro ihany koa ny fananganana ny EPP vaovao ao amin’ny fokontany Tanambao izay ahitana efitrano enina. Hetram-bahoaka avokoa no hanaovana ny fotodrafitrasa rehetra eo anivon’ny kaominina, hoy hatrany i Penjy Randrianarisoa.

Jean D.       


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT