PDS HARILALA RAMANANTSOA

Laharam-pahamehana ny fandaminana ny tanana


  • Zoma 06 Septambra 2024

Azo hatao tsara ny manova ny tananan’Antananarivo renivohitra ao anatin’ny fotoana fohy

raha araka ny tafa nataony voalohany nataon’ny PDS Harilala Ramanantsoa tamin’ny mpanao gazety omaly Alakamisy 05 Septambra, taorian’ny nanendrena azy ho amin’izany toerana izany. Tsy vitako irery anefa izany hoy izy fa mila ny fifanomezan-tanana sy fanohanana eo amin'ireo hery velona rehetra arahin’ny fandraisan'anjaran'ny mponina. Natombony avy hatrany tamin'ny fandaminana sy fanatsarana ny araben'ny fahaleovan-tena Analakely izany omaly Alakamisy. Halamina sy harindra ireo mpivarotra eny ambany arcade sy ireo parking , lokoina ny ivelan'ireo arcade, hatsaraina koa ny zaridaina, hoy hatrany ny PDS. Rehefa milamina sy manana ny hasiny ny "avenue de l'indépendance" hoy izy dia hanana fahatokisana ny mponina fa afaka tanterahina tsara ny fanovana sy ny fanatsarana ho an'ny tananatsika mba ho reharehan'i Madagasikara ny Renivohitra. Fantatra moa fa hametraka paikady ihany koa ity PDS vaovao ity amin’ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ny kaominina. Tsy adinony nandritra izany ny namaly ireo fanontaniana izay manitikitika ny sain'ny maro toy ny mahakasika ny filatsahany hofidiana ben'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra , ny fizarany ny fomba fijeriny ny zava -misy eto Antananarivo Renivohitra,ny programan'asany amin'ny fanarenana ny Tanànan'Antananarivo ary ny fahavononany amin'ny fanatanterahana ny asa izay nampandraiketana azy.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa fohy nataon’ny PDS Harilala Ramanantsoa tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT