Actualités

Paul Rabary «Voaozona isika…»


  • Alarobia 10 Mey 2023

Rehefa tsy ny tanora no manao politika dia ny hafa no manao ary miaritra ny tanora, hoy ny filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary.

Tsy resaka vahaolana mahagaga na «miracle» io, hoy izy, fa mila tsapan’ny tanora fa ny fiainany dia politika ary ny politika iankinan’ny fiainany. Ny tanora no tena nibaby ny vokatry ny politika teto Madagasikara ka mila manao politika izy raha tiany hiova ny fiainany. Tsy afa-miala amin’ny famatsiana iraisampirenena isika hatreto. Diso ny filazana fa hahavita tena samirery isika aloha. Ny politikam-panjakana dia tokony entina hamaritra hoe afaka 10 na 15 taona dia tokony tsy hiankin-doha intsony isika. Misy asa takiana ao ambadik’izany ka raha tsy mametraka izay tanjona izay isika dia mijanona amin’izao. Nanomboka ny taona 1987 tany ho any isika no nanomboka niditra tamin’ity trosa miavosa sy mampahantra ity. Voaozona isika ka anjarantsika no mametraka teti-panorona sy paikady ialana amin’izany. Tsy misy afa-tsy miisa 3 no lalana. Voalohany ny fifehezana ny jono an-dranomasina. Faharoa ny fifehezana ny harem-pirenena eto Madagasikara. Fahatelo ny fananan’i Madagasikara politika mampandroso ny fizahantany eto amintsika ka hampidi-bola be ho an’ny firenena. Ireo no lalana ialantsika amin’ny trosa miavosa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT