Paul Rabary

« Manohana ny « refondation », soa fa nandray andraikitra izy 5 lahy»


  • Alatsinainy 24 Novambra 2025

Nilaza ny mpahaifiarahamonina izay

efa minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha Paul Rabary, fa manohana tanteraka ny « refondation » atao eto Madagasikara. «Ny antony dia tafalatsaka lalina loatra isika, ary soa ary fa nandray andraikitra izy 5 miralahy tamin’ny fotoana nivaivay nahafantsika miditra amin’izao fanavaozana izao », hoy i Paul Rabary. Tsiahivina fa mpikambana tao anatin’ny UPAR (Union Minisitry ny des Pro-Rajoelina) tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany ny tenany. Nambarany moa omaly, fa tsy afaka miverina ny tantara fa mandroso. Ankoatra io, milaza ny tenany raha niresaka ny tontolon’ny fanabeazana sy ny raharaham-pirenena, fa hisy ny « concertation nationale » ho an’ny Firenena, fa tokony hisy ihany koa mialohan’izay ny « concertation nationale » ho an’ny fanabeazana tokony hatao, mba hifanaraka amin’ny zava-misy marina eo amin’ilay faritra sy ny filan’ny firenena ny fanabeazana. Nanamafy ny tenin’ny Filoham-panjakana amin’ny fanomezana hasina ny teny Malagasy i Paul Rabary, ka nanipika fa tokony hirehareha amin’izany isika, tsy tokony ho mari-drefy intsony ny teny vahiny eo amin’ny lafiny fampianarana satria izay dia efa fanjanahana ara-tsaina sahady hoe : isika dia tsy manana mari-drefy afatsy ny fahaizana teny vazaha, hoy i Paul Rabary. Mila andrianina ny tenintsika, fehezintsika ny tenin’ny hafa, fa ny zava-dehibe dia ny fanomezana hasina an’i Madagasikara sy ny teny Malagasy, hoy hatrany ny tenany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT