Efa tomombana avokoa ny fanomanana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC hotanterahina manerana ny Nosy ny 21 Jolay sy ny 03 ka hatramin’ny 06 Aogositra ho avy izao, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Rabary Paul omaly
. Efa ho roa herinandro izao no vita ny fikarakarana rehetra ka mahazo mahatoky avokoa ny ray aman-dreny rehetra. Notsindriany manokana ny vokatry ny hatsembohan’ny mpampianatra mitsar na vacation izay zary lasa resabe hatrany rehefa ankatoky ny fanadinam-panjakana toy izao. Ny 19 Jona lasa teo no efa niala tany amin’ny minisitera iadidiany ny fikarakarana rehetra mikasika izany ary handalo eo anivon’ny tahirimbolam-panjakana na ny trésor. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana notanterahina tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ity minisitra ity omaly. Lanonana izay niarahana tamin’ireo mpianatry ny kolejy sy lycée manerana ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra sy Atsimondrano ary Avaradrano nentina nankalazana sahady ny fetin’ny 26 jona. Mpianatra manodidina ny 13.000 isa no tonga nandray anjara tamin’ny carnaval notanterahina mifandraika amin’izany, nohafanain’ny tarika Jerry Marcoss. Ny haha iray ny zaza Malagasy rehetra no tanjona, hetsika izay tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny iray volan’ny ankizy ihany koa.
Pati
Sary Njaka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.