Manoloana ny dian’ny minisiteran’ny fampianarana ankehitriny izay hita ho mizotra any amin’ny fanafoanana ny fanadinam-panjakana CEPE sy mifanandrify amin’ny tetikasa PSE an’ny fitondrana teo aloha dia naneho ny heviny ny minisitry ny fanabeazana teo aloha sady mpahay fiarahamonina, Paul Rabary.
Arahaba soa, arahaba tsara rehefa hitan’ny fitondram-panjakana fa ilaina ampiharina ny PSE, hoy izy. Isan’ny resaka tato ato koa ny tetikasa 0 ariary . Nampatsiahy ny tenany fa tanjona napetraky ny fitondrana nifandimby mihitsy izany hametraka fanabeazana maimaimpoana izany saingy noho ny tsy fisian’ny vola dia tsy tanteraka ilay izy. Vola tsy toko tsy forohana no ilaina amin’io satria misy lafiny 2. Tokony handefa ny atao hoe “subvention d’ecole” ny fitondrana amin’ny vola omen’ny mpamatsy vola fa eo koa ny fametrahana ny atao hoe “caisse ecole” hampiodinana ny raharaha eo anivon’ny sekoly. Fahatelo dia tsara ny manamarika fa mbola betsaka ireo mpampianatra FRAM izay iantohan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra satria ny fitondram-panjakana dia tsy nanao fandraisana mpampianatra vaovao na “recrutement” talohan’ny nitondrako, hoy izy. Efa ao anatin’io PSE io avokoa ny mikasika izany fanarenana izany. Faharoa dia mila ofanina sy ampirisihina ny mpampianatra. Ny fametrahana azy ho mpiasam-panjakana no fampirisihina azy voalohany. Ny programam-pampianarana no fahatelo satria praograma efa tamin’ny 60 taona lasa izao no misy eto. Tsy mifanaraka amin’ny zava-misy intsony, hoy hatrany ny fanazavany. Lova napetraky ny frantsay. Ao anatin’izay praograma izay ny fijerena ny zava-misy isam-paritra fa tsy ny zava-misy eto Antananarivo no ampianarinao ny any Androy misy kere. Tsy nampianarina hifehy ny tontolo manodidina azy mihitsy ny zanaka Malagasy ka na nianatra tahaka ny inona aza dia kere isan’andro. Isan’ny vahaolana izany, hoy izy, ny fampianarana ny zaza Malagasy hifehy ny tontolo manodidiny na eo amin’ny resaka fambolena na fiompiana na jono na asa tanana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.