PASTERA SY PROFETY NANAO ADALANA

Roa no nalefa any am-ponja omaly


  • Alarobia 12 Jona 2024

Miisa roa ireo pastera sy profety nalefa any am-ponja omaly tany Toamasina noho ny adalana nataony.

Ho an’ilay iray dia hotsaraina amin’ny datin’ny 11 Jolay ho avy izao izy. Antony hanenjehana azy ny fandripahany vehivavy tao Toamasina ka nampitaraina ny maro. Ny faran’ny herinandro teo no efa nifampitadiavana Ingahirainy raha tsiahivina taorian’ireo fitoriana miisa valobe izao napetrak’ireo vehivavy nadalainy…. Ankoatra ilay ranamana ity moa dia dia pastera iray nanodinkodina zaza tsy ampy taona ihany koa no niakatra fampanoavana tao Toamasina tao omaly Talata 11 Jona ary naiditra am-ponja vonjimaika niaraka taminy. Anisan’ny tena mampalahelo amin’ny tranga tahaka itony moa ny fanalam-baraka ny anaran’Andriamanitra. Eo ihany koa ny lasa fanaovan’ny olona sasany tsinontsinona ny fivavahana ka tokony hotandreman’ireo milaza ho Raiamandreny ama-panahy fatratra.
Pati
Legende : Efa any am-ponja ilay ranamana ity amin’izao maka saina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT