Hiakatra fitsarana anio zoma 01 Aogositra i Pastera Benjamina, mpitarika fiangonana zandriny iray eto an-drenivohitra
. Ny Alarobia hariva lasa teo izy no nampidirina am-ponja vonjimaika rehefa niakatra teny amin'ny fitsarana ny raharaha. Maro loha ny fanenjehana ity pastera iray ity raha ny vaovao azo. Anisan'izany ny fobodoana fananan'olona, ny fanalam-baraka olona ... Renim-pianakaviana iray monina ao Fianarantsoa no nitory azy. Ho fantatra anio, araka izany, izay mety ho fanapahan-kevitry ny fitsarana mikasika ity raharaha ity. Mpanao gazety maro moa no tonga nanangom-baovao teny Antanimora omaly folakandro
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.