Actualités

Paska sy alatsinain’ny paska teto an-drenivohitra


  • Alarobia 12 Aprily 2023

Razana iray no hita, olona roa namoy ny ainy vokatry ny loza

Razana iray no hitan’ny polisim-pirenena raha olona roa kosa no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teto an-drenivohitra nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paska sy ny Alatsinain’ny Paska teo. Miisa 51 ireo loza nitranga nandritra izany ka ny 31 isa naharatrana olona avokoa. Miisa 17 tamin’ireo olona tao anatin’ireo fiara ireo kosa no naratra ka anisan’izany ny tao anatin’ilay fiara nentina mpamily iray mamo. Miisa 18 ny loza nahasimban-javatra. Mikasika ireo tranga hafa dia mitontaly 256 isa ireo olona voasambotra ka ny iray nanatanteraka halatra miaro herisetra nampiasa fitaovam-padiana toy ny antsy. Miisa 09 kosa ireo nanao halatra niaro vaky trano, 29 ny halatra miaro fanendahana, miisa 14 ireo tratra nidoroka zava-mahadomelina, miisa 13 ireo halatra saika niseho nefa voasoroka. Miisa 91 kosa ireo olona noahiahiana ka nosavaina raha 79 isa ireo mamo sy niady teny an-dalambe. Mitotaly 5.039 isa raha tsiahivina ireo Polisy nahetsika nanerana ny Nosy nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paska farany teo.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT