Actualités

Paska ao anatin’ny asa Nankahery ny ekipany ny komandin'ny zandarimaria


  • Sabotsy 11 Aprily 2020

Amin’ izao fankalazana ny fetin’ny paska 2020 izao, izay ao anatin'ny vanim-potoana sarotra noho ny valanaretina "coronavirus"

 

 

 

 dia nitsangana nampahery ireo mpiara-miasa aminy ny jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, kaomandin'ny zandarimariam-pirenena. Tsapany raha araka ny fanazavany ny andraikitra mankadiry hiandraiketan’ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao. Naneho ny fisaorana sy fankatelemana ho an'ireo mpiantsehatra rehetra noho ireo asa tsara efa vita izy araka izany. Mampahery sy mamporisika ny tsirairay ihany koa amin'ny asa miandry goavana mbola miandray amin'izao faran'ny herinandro masina izao. Tsaroany ihany koa ka isaorana manokana ireo mpiantsehatra tsy maintsy hiasa andro aman'alina lavitra ny fianakaviany. Manainga ny rehetra hanaja hatrany ny tarigetra "Tanindrazana sy lalana" ka hiasa ankitsim-po sy hanaja tanteraka ny lalàna velona araka izany ny tenany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT