Actualités

Pasitera Randriamisata Roger Tena hanimba fampihavanam-pirenena io


  • Alarobia 23 Jolay 2014

Nanaitra ahy mafy ny resaka fanagadrana mpanao gazety na dia ho vonjimaika aza, hoy ny Pasitera Randriamisata Roger (Hetsiky ny mpitondra fivavahana), satria voalohany tsy nampoizina mihitsy ny hoe :

ao anaty fitondrana ara-dalàna dia mbola misy izao trangan-javatra izao. Tena hanimba ny fihavanam-pirenena io, hoy ity mpitondra fivavahana ity, ary hampivarina ny firenena any anaty  didy jadona. Hanaitra ny Vondrona Iraisam-pirenena ity trangan-javatra ity,  hoy ihany ny Pasitera Roger, satria izany “delit de presse” izany amiko tsy hanagadrana mpanao gazety. Efa nifampiresaka tamin’ny mpitondra mahefa aho hoe : aoka hialana izany fanagadrana mpanao gazety izany. Vao mainka hitondra lonilony eto amin’ny firenena ity resaka ity. Tokony hikendry ny mpitondra tsy hanao zavatra tsy voahevitra. Mbola sahy amiko ny mpitsara nandray fanapahan-kevitra tamin’ity resaka politika ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT