Niova hevitra indray ny pasitera Mailhol. Tsy amin’ny taona 2013 araka ny nambarany hatrizay indray no hitondrany ny firenena fa mialoha izany.
“Araka ny efa nambarako hatrany dia horaisin’ny miaramila ny fitondrana ary hatolony olona tsy miandany amin’ny atsy na aroa izay marihina fa sady tsy mpanao politika io olona io no tsy mpandraharaha ihany koa. Rehefa tsy mahita io olona io ry zareo dia homeny ahy feno ny fahefana araka ny faminaniana azoko nandritra ny diako tany parisy tamin’ny taona 2005”. Izy sy ny governemanta miaraka aminy no hikarakara ny fifidiananana rehetra ary tsy misy afaka milatsaka ireo olona miara-miasa aminy akaiky ireo amin’izany raha ny nambarany ihany.
Ho an’ny pasitera Mailhol dia samy resy lahatra ny amin’ny maha zava-dehibe tsy azo ihodivirana ny fankatoavana iraisam-pirenena na ny fitondrana Fahefana Avon’ny Tetezamita na ny ankolafy Madagasikara ary izay indrindra no antony ampiantsoan’i Andry Rajoelina atrikasa ifampierana ny 04 sy 05 martsa izao. Ho sarotra anefa, hoy izy ny ahatongavana amin’izay satria samy mifampiahiahy sy manao be marenina ny roa tonta. Efa nanambara ny tsy fandraisany anjara rahateo ireo mpanao politika ao amin’ny ankolafy Madagasikara.
Tsy lojika
Tsy manaraka lojika ny fanendrena ny vice-amiral Ramaroson Hyppolite hitana ny toeran’ny minisitry ny raharahambahiny raha ny hevitry ny pasitera Mailhol. Raha ny tokony ho izy, hoy ity mpitondra fivavahana ity dia ny vice-amiral no mitana ny andraikitry ny Praiminisitra ary ny kolonely Vital kosa no misahana ny departemantan’ny raharahambahiny. «Raha izaho no teo amin’ny toeran’ny filoha Rajoelina dia nanaja ny rafitra fahamboniana ara-miaramila ny tenako. Ny tena mahagaga koa dia ny naneken’ny vice-amiral io toerana io kanefa efa natolotry ny filoha teo aloha azy ny fahefana feno saingy natsipiny».
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.