Mihazakazaka ny fotoana. Volana faha-9 amin’ny taona sahady isika. Samy nanana ny vina napetrany ny olom-pirenena, ny fianakaviana, ny mpanao politika … Maro koa ireo karazana faminaniana re. Nanana ny azy ny pasitera Mailhol. Nisy indrindra ny resaka nifanaovana taminy mikasika izay sy ny raharaham-pirenena ankapobeny.
Tia Tanindrazana (TT) : Nanohana ny kandida Ny Rado Rafalimanana ny GFFM. Nailiky ny CES anefa ity farany. Manao ahoana indray ny toeran’ny GFFM amin’izao ?
Pasitera Mailhol André Christian Dieu Donné (pasitera Mailhol) : Tsy mbola nesorin’ny CES izy no efa nanao fanambarana ny GFFM fa tsy manohana kandida indray aloha noho ireny fanambarana nataon’ny vondron’ny kandida nilaza hidina an-dalambe ireny. Tsy mifanaraka amin’ny fomba fijery ara-politikanay mihitsy ny fidinana an-dalambe. Na dia nampangaina ho ao ambadik’ireo hetsika fanesorana ny mpitondra nifandimby nanomboka tamin’ny filoha Zafy aza izahay dia tsy mba nanao izany fidinana an-dalambe izany mihitsy fa miandry ny fahatanterahan’ilay faminaniana. Tsy niova izany hevitry ny GFFM izahay hatramin’izao. Tsy mbola mihevitra ny hanohana kandida izahay satria na ny fifidianana aza tsy fantatra raha hisy na tsy hisy. Marihina fa samy hafa ny antoko politika GFFM sy ny FAM. Amin’ny maha antoko politika ny GFFM izay dia mety afaka manohana kandida izy fa ny sehatry ny fiangonana madiodio kosa no iandraketan’ny FAM.
TT : Miaraka ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa sy ny fifidianana solombavambahoaka. Mbola hiandry koa ve izany ny GFFM sa handray anjara ?
Pasitera Mailhol : Efa miomana amin’ny fifidianana solombavambahoaka ny GFFM fa ny fanontaniana mipetraka dia ny fisiany na tsia. Tsy Mbola nahazo tatitra avy amin’ny antoko ny isan’ny kandida hatolony ny tenako fa raha ny fahalalako dia mitombo isa hatrany ireo mirotsaka amin’ny anaran’ny GFFM.
TT : Efa manitsaka ny volana septambra isika izao, tsy mbola tanteraka foana ilay faminanianao ho lasa filoham-pirenena amin’ity 2013 ity ?
Pasitera Mailhol : Tsy miova io ka, tahaka ireo faminaniana politika rehetra teo aloha. Anisan’izany ny filazako fa miala ny filoha Zafy ary miverina mitondra ny filoha Ratsiraka. Tsy nisy olona nino izany anie na iray aza e ! Na izahay koa aza mba nametra-panontaniana ny fomba hahatanteraka izany. Mbola tao anatin’ny tanjany mihitsy kosa ny amiraly Ratsiraka izay nifehy ny Faritany 6, ny Fivondronana sy Firaisana sady nanana Ben’ny Tanàna betsaka no nambarako tamin’ny alalan’ny faminiana fa hiala izy ary hosoloin’ny olona hapetraky ny FFKM ary hisy rà mandriaka eto. Nilaza mihitsy aza ny olona tamin’izany fa tsy mahay maminany afa-tsy rà mandriaka ny tenako. Matoa anefa nambara mialoha ireny dia mba hahafahana misoroka azy. Niezaka nanao izany ny amiraly Ratsiraka izay tsy nampitifitra olona teny amin’ny 13 may. Ny ekipan-dRavalomanana indray no nitondra Zanadambo namaky barazy tany Toamasina nahatonga ny ra mandriaka. 7 taona ihany no nambara fa hitondran-dRavalomanana dia ho raikitra indray ny ra mandriaka. Tsy nampitifitra olona koa ny tenany fa ny ekipan’ny fitondrana amin’izao fotoana no nitondra olona teny Ambohitsorohitra. Izaho ve no maminany loza sa isika no manatanteraka ilay faminaniana ? Raha mijery ny zava-misy amin’izao fotoana isika dia mahakely finoana ny hisian’ny fifidianana amin’ny volana oktobra ary na hisy aza izany dia ho gidragidra be. Tsy ho tonga any amin’ny fihodinana faharoa akory io satria tsy hisy hanaiky izay vokatra eo. Dia ahoana ihany koa moa no anaovana izany fifidianana roa samy hafa ampiarahana izany amin’ny desambra ? Tokony ho lany mihitsy ny filoha vaovao vao miroso amin’ny fifidianana solombavambahoaka.
TT : Raha izany rindran-kevitrao izany dia misy hatrany ny vahoaka atao sorona ahazoana fahefana, ianao ihany koa misy milaza fa ao ambadik’ireny raharaha FIGN sy BANI ireny.
Pasitera Mailhol : Tamin’ireny tolom-bahoaka tamin’ny 2001 ireny dia efa nolazaina fa izaho no tao ambadiky ny filoha Marc Ravalomanana mba hahatanteraka ilay faminaniana. Mbola nolazaina koa fa izaho no tao an-damosin’ny fanonganana ny filoha Ravalomanana satria miloko volomboasary ny “robe pastorale”- ko. Disika efa fandrenay izany ka tsy mahagaga anay intsony. Manana mpitsikilo maro anie ny fanjakana e ! Raha misy olona arahan’ny sampana fitsikilovana maso akaiky dia laharana faharoa angamba ny tenako amin’izao. Alefa daholo izao tsaho rehetra izao handotoana ahy ho devoly satria natahorana hilatsaka aho. Nalefa aloha ireny zalahy mpivavaka tato aminay taloha ireny izay nanaparitahana kapila CD manalabaraka ny tenako. Rehefa tsy nahomby ilay tetika dia nasiana indray ny fandorana ny fiarako teny Ambohipo. Tsy mponin’Ambohipo mihitsy no nanao ireny fa olona nokaramaina. Na ny fiangonana na ny mpanaraka ahy na ireo mpanao fanatanjahatena samihafa dia efa samy nilaza fa tsy hanaiky ireny zavatra natao tamiko ireny saingy tsy niditra tamin’ilay fihantsiana aho. Ady an-trano mihitsy no nokendrena tamin’ireny.
TT : Isaky miaina krizy ny firenena dia misy ny olona milaza fa maty dia nitsangana indray ary milaza ho nampitondrain’ny Tompo hafatra. Misy vitsivitsy izy ireny amin’izao. Azo itokisana ve izy ireny aminao ?
Pasitera Mailhol : Tsy zava-baovao tokoa ireny fa ny mahagaga ahy dia tamin’ity 2013 ity vao nivoaka avokoa izy rehetra. Tamin’ity taona ity rahateo koa vao tena mafy ny fanenjehana ahy satria hitan-dry zareo fa an-dalam-pahatanterahana ilay faminiana. Efa nanohatra io faminaniana io araka izay heriny na olon-tsotra na mpanao politika na mpitondra fivavahana. An-kilany koa anefa dia misy ireo sokajin’olona ahitana mpitondra fivavahana, ipetrahana tromba na koa mpitana fomban-drazana izay milaza fa olona hapetrak’Andriamanitra no ho avy eo fa tsy avy amin’ny fifidianana. Ampitenen’ny fanahy avokoa ireo olona ireo izay mety mihevitra ny sasany fa tsy izaho ilay hapetrak’Andriamanitra ho filoha. Izaho rahateo koa tsy milaza hoe : tsy maintsy ny tenako ilay olona fa izaho aloha no nahazo ny faminaniana dia manambara azy. Ampitenen’Andriamanitra avokoa ny fanahy rehetra fa olona hapetrak’Andriamanitra no ho avy eo fa tsy avy amin’ny fifidianana.
TT : Hanarina ny firenena sa hampihavana moa izany no iraka ampanaovin’Andriamanitra anao raha ianao tokoa no ho filoha ? Dia hafiriana no hijanonanao eo ?
Pasitera Mailhol : Efa nasehon’Andriamanitra ahy avokoa ny dinam-piarahamonina ka ao anatin’ny 3 taona sy tapany fotsiny dia miova i Madagasikara. Manaiky izay fe-potoana hametrahany ahy eo ny tenako fa tsy hifikitra amin’ny seza satria tsy mpanao politika ny tenako. Hanavotra ny firenena Malagasy no iraka nomeny ahy, izany hoe tafaraka avokoa ny resaka ara-politika, toekarena, sosialy ary ara-pivavahana.
TT : Ahoana no hanaovana izany fampihavanana ara-pivavahana izany anefa ? Mifanipaka ny antokom-pivavahana kristianina samihafa raha tsy hilaza afa-tsy ny mpivavaka sabotsy sy alahady fotsiny ?
Pasitera Mailhol : Ny Baiboly no itondrana azy fa tsy ny foto-pinoana sy foto-pampianaran’ny fiangonana tsirairay. Tsy hihavana mihitsy ireo raha ny foto-pampianarana no raisina. Izay lazain’ny Baiboly momba ny fampihavanana no ampiharina. Mitovy amin’ny fahendren’ny Malagasy ihany io hoe : “Aleo very tsikalakalam-bola toa izay very tsikalakalam-pihavanana”. Tsy maintsy olona ivelan’ny mpifanandrina ankehitriny no lany eo vao azo atao ny fampihavanana. Afaka mampihavana an-dry zareo ny tenako rehefa tanteraka ny faminaniana. Alaiko ho mpiara-miasa avokoa izy rehetra amin’izay araka izay sehatra manavanana azy avy.
TT : Rafitra sahala amin’ahoana no mety amintsika ?
Pasitera Mailhol : Ity demokrasia ity mihitsy no tsy mety amin’ny firenena afrikanina satria ataon’ireo vahiny fitaovana hanonganana ny mpitondra mieritreritra hitondra tombontsoa ho an’ny fireneny. Omena fahalalahana hiteny olona ka lasa mifanompa, avy eo dia raikitra ny fidinana an-dalambe ary rehefa tsy tafaongana ilay mpitondra dia entina amin’ny kilalao maloto amin’ny fandehanana amin’ny rafitra fady. Amin’ny maha mpitondra fivavahana ny tenako dia ny rafitra teôkratika no tokony hiainantsika eto. Ny tena tsara dia izay ampiharin-dry zareo Anglisy. Misy ny “Conseil des sages” izay mifehy sy manaramaso ny asan’ny filoha. Raha tsy mahatanteraka ny fampanantenany izy dia ny “Conseil des sages” no manala azy amin’ny toerany. Tsy misy intsony ny filoha tsy refesimandidy amin’izay. Atao eo ambany fahefan’ny “Conseil des sages” koa ny ministeran’ny foloalindahy sy ny fitsarana fa tsy eo ambany fahefan’ny filoha.
TT : Faranana ny resaka, misy teny tianao hatsipy ve ?
Pasitera Mailhol : Mba hilaminan’ny firenena dia aoka samy hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra. Raha fifidianana no sitrany dia aleo handeha ny fifidianana, raha tsy izay no sitrapony fa tonga ny fotoana hametrahany ilay olona notendreny dia izay ilay rafitra teôkratika.
Nangonin’i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.