Manomboka misokatra ireo toeram-pizahantany manerana ny Nosy. Tsy andrin’ireo mpizahatany teratany Italianina efa teto Madagasikara hatramin’ny volana marts any nisokafan’ny valanjavaboaharin’Andasibe-Mantadia.
Afaka nitsidika an’ireo valanjavaboahary manamarika ny hakanton’I Madagasikara izy ireo omaly, ary naneho ny hafaliany teo anatrehan’izany. Isan’ireo toerana manintona sy mahaliana ny mpizahatany ny an-toerana noho ny karazam-biby tsy manam-paharoa toy ny gidro, ankoatra ny zava-maniry manome endrika ny tontolo. Mbola maro anefa ireo Malagasy mbola tsy nisitraka sy niaina ny hakanton’ny voaary any an-toerana, ka tokony hampiroboroboana sy homena vahana ihany koa ny fizahantany ato anatiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.