\Lehilahy iray 32 taona monina eny Paraky - Soanierana, kaominina Antananarivo renivohitra no natolotra ny fampanoavana omaly.
Tompon'antoka tamin'ny fanolanana ankizy vavy iray vao 14 taona monja izay zana-badiny mantsy ity lehilahy ity. Raha araka ny fitantaran'ity zaza tsy manan-tsiny ity dia nataon’io Raikeliny io an-keriny izy nandritra ny fotoana nahabevohoka ny reniny izay tsy maintsy matory irery noho ny toe-pahasalamany. Izy sy ilay zandriny lahikely vao 6 taona monja mantsy no voatery niara-natory tamin’ity Raikeliny ity ka nampiharan’ity farany ny filan-dratsiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.