Actualités

Paraky - Ouest Mananjara Mampitaraina ny maro ny haavon’ilay tetezam-by


  • Alatsinainy 03 Aprily 2023

Tena mampitaraina olona maro ny haavon’ny tetezana etsy Paraky Ouest Mananjara, Boriborintany fahaefatra.

Fijaliana hatrany mantsy ny mahazo ireo olona manam-pahoriana mipetraka eny amin’iny faritra iny. Tsy maintsy miakatra ity tetezana avo be ity mantsy ary midina indray avy eo izay vao miazo ny arabe. Toy ireny mitaingina manège ireny anefa ny miakatra sy midina amin’io tetezana io. Betsaka ireo tsy mahazaka indrindra fa ho an’ireo olona manana tosi-dra ambony sy ny mora fanina. Tsy latsa-danja amin’izany ireo olona mora sempotra . Tsy afaka miampita eo amin’io tetezana io izy ireo fa tsy maintsy miodina mankany Anosy na mankany Ankadimbahoaka. Raha tsiahivina anefa dia noho ny fandalovan’ny Train Urbain amin’ny lalamby eny an-toerana no tsy maintsy nananganana io tetezana io satria tsy tokony hisy olona hiampita lalamby intsony rehefa miainga io tetikasa Train Urbain io. Heverina ho vahaolana amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana ity zotran-dalamby an-tanàn-dehibe ity kanefa dia izao miteraka olana hafa amin’nyf arahamonina izao .
Pati
Legende : Fijaliana tahaka izao ny miakatra sy midina amin’io tetezana io
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT