Actualités

Paositra Malagasy sy IMRA Hiara-hiasa hanaparitaka ny CVO


  • Sabotsy 23 Mey 2020

Fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa tamin’ny Paositra Malagasy amin’ny alalan’ny tolotra fitateran’entana malaky indrindra « Paositra Rapida » sy ny IMRA

 

 

 

 (Institut Malgache de Recherches Appliquées) no notontosaina omaly tetsy Antaninarenina. Tanjona amin’izany ny haparitahana manerana an’i Madagasikara ny CVO na ny covid organix. Ny ampitso ihany dia tonga ny entana raha manafatra androany ary mandeha isan’andro tsy tapaka ny fitaterana na dia misy aza ny fihibohana araka ny fanambarana. Tombony ny fananan’ny paositra Masoivoho miisa 250 eto amin’ny firenena ka manafaingana ny fitsinjaran’ny vokatr’ireo Orinasa Malagasy ireo. Tany am-boalohany dia ireo faritra misy ny valan’aretina ihany no mahazo ny fanafody tambavy covid organics fa amin’izao fotoana izao dia efa ny faritra rehetra no misitraka izany. Efa misy ihany koa ankehitriny ny andrana atao ho fijerevana manokana sy ho fanaraha-maso ny lalan’ny entana iandraketan’ny Paositra Malagasy. Fanohanana ny vita Malagasy izao ary firosoana amin’ny fanarahana ny teknolojia hoy ny Tale Jeneralin’ny IMRA, Atoa Andrianjara Charles nandritra ny fifanaovan-tsonia niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Paositra Malagasy, Atoa Ranarison Richard izay notronin’ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampivoarana ny Haitao ara-kajy Mirindra, Atoa Ramaherijaona Andriamanohisoa.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT