Hanaraka ny teknôlôjia vaovao ny fomba fiasan’ny Paositra Malagasy toy ireo sampandraharaha misahana ny fifandraisana maro samihafa eto Madagasikara.
Amin’ny alalan’ny fandresen-dahatra ny mpanjifa no paikady entin’ny Paositra manatona ny olona sy ny fandraisana azy ireo mba hampiasa ny tolotra omen’ny Paositra. Fantatra izany nandritra ny fivoriamben’ny mpiasan’ny paositra manerana ny faritra Boeny sy Betsiboka ny alarobia sy ny alakamisy teo. Nilaza ny tale jeneralin’ny Paositra Malagasy Razafimanantsoa Stephanoel fa tsy maintsy averina ny fomba fiasan’ny Paositra teo aloha sy ny fitokisan’ny mpanjifa azy. Handray ny andraikiny avy hatrany ny mpiasa amin’ny fandresen-dahatra ny olona mba hanjifa ny vita malagasy. Hahita fiovana lehibe, araka izany, ny mpanjifa ny Paositra Malagasy satria dia efa manaraka ny toetr’andro ny fomba fiasa manomboka izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.