Paolo Raholinarivo Filohan’ny SYNAD

Namaky ady amin’ny Minisitry ny Fitsarana…


  • Talata 09 Janoary 2024

aza ilay raharaha vary lo 50 kaontenera tao Mahajanga.

Olona 9 hatreto no nambara ofisialy fa naiditra am-ponja, ka anisany ny Prefen’i Mahajanga sy ny Talem-paritry ny varotra sy fanjifana tany Boeny. Isan’ny nanamarika ity raharaha ity ilay fanasoniavana taratasy fanekena ny hamoahana ireo vary tao amin’ny seranana nataon’ny Governoran’i Boeny, Depioten’i Mahajanga I, Depioten’i Soalala, PDS ao Mahajanga, ary ny Prefe. Ny Prefe izay administratera sivily ihany no nalefa any am-ponja.


IZA MARINA NO TENA TOMPON’ANTOKA ?
Nijanona teo amin’ny fanasoaviana ny hamoahana ny vary noho ny fitarainana amin’ny fofona avoakany tokoa ve ireo manam-pahefana samihafa sa efa nisy niketrika hibizina izany ka nahita mpividy ? Tena ny olona niketrika ve no lasa any am-ponja sa ny tsy manan-tsiny tokoa ? Natao sorona ve ireo nogadraina mba ho fiarovana ny hafa na ho amin’ny tombotsoa politika sa an’isan’ireo atidoha tamin’ny fikasana hanaparitaka ireo vary lo? Omaly moa no nohadihadian’ny PAC ny depiote iray izay voalaza fa nikasa hitsoaka tany ivelany. Voalaza fa efa nohadihadiana ihany koa ny governora. Samy manana ny mety ho anton’ny fampanantsoana na fanenjehana moa ny rehetra ka ao ny voarohirohy, ao ny vavolombelona,… Raha ny fikaroham-baovao hafa, dia nokasaina halefa tany Manakara ireo vary lo. Mpandraharaha avy any Ambohimandroso no voalaza fa saika hividy azy, ary mpiasa avy aty Antananarivo ireo nentina tany. Nolazaina fa havadika zezika, kanefa nokasaina haparitaka hohanina. Ny Minisitry ny fitsarana no nidina ifotony tany Mahajanga ary nampandoro ireo ny 30 desambra. Mbola betsaka ny zavatra manjavozavo !

KAJIKAJY ARA-POLITIKA ?
Nisy moa ny fanehoan-kevitra navoakan’ny Filohan’ny Sendikan’ny Administratera sivily na ny SYNAD Atoa Paolo Raholinarivo nilaza hoe: « Ny Ministra ny Fitsarana hono no nanome baiko hamonjana ireo mpamily, mpitatitra entana sy ny sisa nefa olona tsy manan-tsiny izy ireo ». Nohamafisiny tamin’ny hoe : « Araka ny vaovao azo mbola izy koa no nanome baiko ny PAC hamonjana ny Préfet sy ny Talem-paritry ny Varotra satria mitady vokatra izy mba hiverenany ho Minisitra. Dia fanagadrana olona tsy manan-tsiny ve Ramatoa Minisitra no hitazomanao ny toaranao? Hay tsy ny fandikana lalana no mampigadra Ramatoa Minisitra fa baiko? », hoy hatrany ny Filohan’ny SYNAD. Nilaza mihitsy ny tenany fa tsy faly amin’ny Minisitra Rtoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa izao tontolo izao, ary anisany ny tenany. « Miandry ny fanamborana avy aminao koa aho Ramatoa Minisitra , dia hamorony taratasy maha meloka ahy fa izaho dia vonona ho faty fa tsy ho gadra noho hetraketrakareo Mpitsara sasantsasany, ampy izay ny fanaparanareo fahefana eto amboniny tanin’ny Madagasikara », hoy hatrany ity farany. Nambarany fa mamitaka ny Praiminisitra sy ny Filohan’ny Repoblika ity Minisitra ity, ary nambarany fa tsy manohitra Fitondrana izy fa manohitra ny baikony hanagadra olona tsy manan-tsiny. Andrasana kosa ny setriny avy amin’ny Minisitry ny Fitsarana eo anatrehan’ity fanambarana mahery vaika ity.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT