Actualités

Paikady sy serasera Misy fomba fiasa tokony amboarina ihany


  • Zoma 27 Martsa 2020

Niteraka resabe sahady omaly ny mikasika ny fanomezana 5 tapitrisa ariary izay manome vaovao na mahatratra ilay vehivavy nolazaina fa nanely tsaho raha nilaza fa efa maherin’ny 200 isa no voan’ny Coronavirus eto Madagasikara.

 

Manana vola ampiasaina amin’izany ihany ve, maninona raha hanampiana amin’ny ady atao amin’ity areti-mandoza ity, hoy ny sasany? Ny filoham-pirenena aza efa niantso fa fotoanan’ny firaisankina izao ary tokony hanao rojom-bavaka isan’andro ny malagasy, hoy ny hafa. Rehefa dinihina ireo fanehoan-kevitra dia saika mitodika amin’ny hoe miantso firaisankina ny filoham-pirenena raha toa ka mbola manam-potoana hiantsoana fanenjehana kosa ny minisitry ny serasera. Ratsy ary voararan’ny lalana rahateo tokoa ny fanelezana tsaho saingy tsy maintsy nolazaina ampahibemaso toy ireny ve ny fankasitrahana ireo mety ahita izay lalana hisamborana ny heverina ho mpanao ratsy izay ao anatin’izao fotoana hanentanana ny vahoaka tsy hivoaka ny fonenany avy izao? Tsy izany indray aza ve no mety ho fakam-panahy ho an’ireo olom-pirenena sasany hanosika azy hivoaka ny tranony, ohatra? Efa maro ny tsikera nandeha mikasika ny seraseran’ny fitondram-panjakana tao anatin’izao fitondrana izao ary kiana matetika heno ny hoe lany andro amin’ny sehoseho sy ny seho ivelany. Misy fanapahan-kevitra tsy voatery ho lazaina anefa, hoy ny filoham-pirenena izay, ny 25 martsa teo.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT