Nampahafantatra ilay application Orange Money Pro misy ao aminy ny orinasam-pifandraisana
Orange Madagascar. Ny mba hanamorana ny fitantanana sy ny fandefasam-bola eo amin’ny mpanjifa sy ny mpaninjara no tanjona. Amin’ny alalan’ny finday Android no ahitana azy io hahafahan’ireo mpanjifa sy mpaninjara manatsara hatrany ny fifanakalozam-bola hataony amin’ny fotoana rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny vola hatao tahiry ary azo hampiasaina amin’ireo karazana tolotra ilana azy amin’ny fotoana rehetra toy ny fandefasam-bola, ny fisintonam-bola, ny fividianana na fandefasana fahana…. Fantatra ihany koa fa afaka mifandray avy hatrany amin’ny kaonty any amin’ny banky ity tolotra ity ho an’ireo izay mila izany. Tsotra sy mora ihany koa ny fandefasam-bola na karaman’ny mpiasa any amin’ny faritra…. Azo alaina amin’ny alalan’ny Wi-Fi na 3G moa io application io ho an’ireo izay mbola tsy manana izay tsy ilana fahana akory raha araka ny fantatra hatrany.
Pati
Legende : Miroso mankany amin’ny fampiharana ny teknolojia avo lenta hatrany ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.