Mazava ankehitriny ny resaka ! Hiverena hihodina ny orinasa TIKO. Tsy hisalasalana io. Tsapan’ny fanjakana mijoro ankehitriny ny lanjan’ity orinasan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ity, eo amin’ny toekarena Malagasy sy amin’ny fanomezana asa ny Malagasy.
Dr Jules Etienne Rolland, Minisitry ny indostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina ary ny orinasa madinika sy salantsalany, mihitsy no nilaza teo anatrehan’ireo solombavambahoaka tonga nivory teny Tsimbazaza omaly, raha namelabelatra ny politikan’ny minisitera sahaniny amin’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana izy, fa efa eny am-pelatanany ny taratasy rehetra mikasika ity orinasa ity ary nanome toky izy fa hotanterahana ny hanaovana izany haingana. Nangataka taminy ny hanokafana tsy misy hatakandro ny orinasa TIKO rahateo ireo depiote tonga nivory satria manome asa eo aminy 20.000 izany. Nilaza moa ingahy minisitra fa mitohy hatrany ny fifampiresahana eo amin'ny mpitantana ny orinasa TIKO sy ny minisitera tantanany ary ny solombavambahoaka mikasika izany. Hitadiavana mpiara-miombon’antoka ara-bola ihany koa ny fampandehanana indray ireo orinasam-panjakana nikatona na mandeha ihany fa mitsipozipozy. Tafiditra amin’ny politikan’ny minisitera ny hanamafisana ny anjara toeran’ny sehatra tsy miankina amin’ny fampiroboroboana ny toekaren’i Madagasikara rahateo izany. Fanambin’ity minisitera ity mantsy ny hanatratra ny fandraisan’anjaran’ny sehatra taozava-baventy ho 25%-n’ny harin-karena faobe. Namelona tsirim-panantenana amin’ireo mpiasa an’arivony niasa nivantana sy ireo fianakaviana an’aliny nivelona tamin’ity orinasa ity izao finiavana izao, ka manantena izy ireo fa tsy hijanona ho vinavina sy nofinofy intsony izany fa tena hivadika ho vokatra azo tsapain-tanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.