ORINASA STAR

Nanokatra toeram-pitsaboana ao Andranomahery


  • Talata 21 Oktobra 2025

Ny fahasalamana sy fiarovana amin’ny

fanatanterahana ny asa dia isan’ny laharam-pahamehana ho an’ny orinasa STAR. Hanampy amin’ny fanomezana fitsaboana haingana sy tsara kalitao ho an’ny mpiasa, iarahana amin’ny ekipa mpitsabo sy ny fitaovana maoderina ilay toeram-pitsaboana vao nosokafan'izy ireo ao Andranomahery. Manamora ny fizahana ara-pahasalamana alohan’ny fidirana amin’ny asa izany, ary manatsara ny fisitrahan’ny mpiasa fitsaboana mendrika, ka mametraka ity orinasa ity ho isan’ny mpampiasa mendrika indrindra eto Madagasikara. Ankoatra ny foto-drafitrasa, ny orinasa Star dia mandray anjara mavitrika amin’ny hetsika fisorohana sy fanampiana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Mikarakara fanomezan-dra matetika, ary mandray anjara amin’ny hetsika fanentanana toy ny « Oktobra Mavokely » ho an’ny fitiliana homamiadan’ny nono sy ny vozon-tranonjaza sy ny « Novambra Manga » ho an’ny fahasalaman’ny lehilahy. Amin’ny alalan’ireo hetsika RSE dia manohana ny asa fitsaboana sy miara-miasa amin’ny hopitaly sy toeram-pahasalamana maro manerana ny Nosy. Tsiahivina moa fa ny orinasa Star dia manaraka ny fenitra ISO 45001 mikasika ny fahasalamana sy ny fiarovana amin’ny asa. Ity fanokafana toeram-fitsaboana ity dia isan’ireo dingana lehibe amin’ny fanatanterahana izany. Eo ihany koa ny resaka fisorohana, izay fototra iorenan’ny politikan’ny orinasa eo amin’ny fahasalamana sy fiarovana. Mikendry ny hanitatra tsikelikely ireo tolotra ara-pahasalamana ho an’ny mpiasa rehetra sy ny fianakaviany manerana an’i Madagasikara ity orinasa ity.
Pati
Légende : Nandritra ny fitokanana ny foto-drafitrasa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT