ORINASA STAR

Namboly hazo mihoatra ny 6.000 isa


  • Alakamisy 06 Martsa 2025

Mandray anjara feno amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny orinasa Star

ao anatin’ny fanatanterahana ireo andraikitra ara-piarahamonin’ny orinasa na ny RSE. Mirona tanteraka amin’izany ny orinasa ary mamokatra zana-kazo aman’aliny amin’ny alalan’ny toeram-pambolena zana-kazo ao amin’ny ozinina MALTO Antsirabe. Misitraka ny zana-kazo avy ao avokoa ireo toeram-pamokaran’ny STAR fa indrindra ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka izay mangataka fiaraha-miasa. Miisa 80.000 mahery ny zana-kazo novolavolaina tao nandritra ny taona 2024 izay hampiasaina mandritra ny taona 2025. Tamin’ity taona ity, dia nahatratra 26.000 isa mahery ireo zana-kazo naparitaka manerana ireo toeram-pamokaran’ny STAR. Ny 12.500 mahery ho an’ny Ozinina Ambatolampy, 8.500 mahery ho an’ny Ozinina Andranovelona, 3.100 ho an’ny Ozinina Antsirabe ary maherin’ny 2.700 ho an’ny MALTO. Ankoatra ireo, maherin’ny 8.000 ireo zana-kazo nozaraina tamin’ireo vondrom-bahoaka eny ifotony, ireo mpiara-miombon’antoka ara-panjakana, ireo mpamboly, ary ireo sekoly manodidina. Mbola misy ihany koa zana-kazo 20.000 hitsinjovana ny filàn’ny mpamboly mandritra ny taona 2025. Etsy an-danin’izay dia misy ireo olon-tsotra sy mpiara-miasa eo anivon’ny STAR izay mitondra ny anjara-birikiny sy manatanteraka ny andraikitra amin’ny maha olom-pirenena azy ireo. Ankoatra ireo hetsika fambolen-kazo iarahan’ny mpiara-miasa dia asaina ihany koa ny mpiasa samy hamboly any amin’ny toerana misy azy. Vokatr’izay fiaraha-mientana izay dia maherin’ny 6.000 isa ireo zana-kazo voavolin’ny mpiasa.
Pati
Legende : Miezaka manamaitso volo an’i Madagasikara ny orinasa Star !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT