Orinasa SMGD

Natsangan’ireo mpamorona azy ho mandra-maty


  • Alatsinainy 29 Aprily 2024

Niverimberina tato ho ato ny fifanolanan’ireo mpivarotra eto Antananarivo sy ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo

renivohitra noho ny resaka tsy fankasitrahana ny fomba fiasan’ny orinasa SMGD na «Société municipale de gestion digitale» izay orinasa nampisahanin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha, Naina Andriantsitohaina, sy ny ekipany ny fitantanana ireo fiantsonam-piara sy ny fikarakarana izany eto Antananarivo ary ny manodidina izay rehetra, raha hazavaina tsotsotra. Hita ho mikasa hanavao ny fomba fiasan’izany orinasa izany indray moa ankehitriny ny filohan’ny delegasionina manokana, Richard Ramanambitana, sy ireo mpiara-miasa aminy ary nanoloana izany dia tazana ho nanangam-bovona indray ny mpanolontsain’ny tanàna niara-niasa tamin’ny ben’ny tanàna teo aloha, Lalatiana Ravololomanana, ka nilaza ho manohy ny fiarovana ny tombontsoan’ireo mpivarotra izay efa nosantarin’izany ben’ny tanàna izany. Tsy mankasitraka ihany koa ny fomba fitantanana an’Antananarivo ankehitriny. Rehefa jerena, etsy ankilan’izay, ny mombamomba ity orinasa voalaza teo ity, efa nampahatsiahivin’ireo mpitantana tamin’izany rahateo moa, dia orinasa tsy miankina izy io fa miara-miasa amin’ny kaominina kosa. Ny tena mahagaga dia hoe mandritry ny 99 taona ny fifanarahana aminy, izany hoe, natsangan’ireo mpamorona azy ho mandra-maty. Tena hanasoavana ny tanànan’Antananarivo tokoa ve sa nokasain’ireo nanangana azy hanaovana bizna ho tombontsoan’izy ireo manokana?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT