Mandindona ny orinasa SIRAMA ny siklaonina. Taorian’ny fanovana mpitantana teo anivon’ny orinasam-pitaterana anabakabaka Air Madagascar dia re izao fa mitodika any amin’ny SIRAMA indray ny fitsofana
Loharanom-baovao samihafa no milaza fa ambivitra ny hahatafajanona amin’ny toerany ny Tale jeneraly am-perinasa, Moana Essa Raseta. Mbola ireo loharanom-baovao ireo ihany koa no mahita fa olona akaiky an’i Hery Rajaonarimampianina, zanaka an-tranon’ny antoko HVM ary mahalala tsara ity orinasa SIRAMA ity no hanankinana ny fitantanana ity orinasam-panjakana mpamokatra siramamy io, tafiditra amin’ny lojikan’ny hoe : “raisin’ny fanjakana an-tanana” natao ho anton’ny nanilihana ny Tale jeneralin’ny Air Madagascar Hugues Ratsifierana. Ho hita eo ny tohiny satria re koa etsy an-kilan’izany fa hahantona aloha ny fanendrena Tale jeneraly sy mpikambana amin’ny Filankevi-pitantanana amin’ireny orinasa miankina amin’ny fanjakana ireny noho ny antony ara-bola.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.