Orinasa SECREN

Voatendry ho Tale jeneraly i Félicien Milison


  • Alarobia 17 Jona 2026

Nahazo Tale jeneraly vaovao ny

orinasa SECREN (Société d’Étude, de Construction et de Réparation Navale) taorian'ny fametraham-pialan'ny Tale jeneraly Ntsay Abel tamin'ny novambra 2025. Félicien Milison, injeniera ary mpiasa tao ihany no notendren’ny Filankevi-pitantanana, ny Alatsinainy teo, ho Tale Jeneraly vaovao hitarika ny fanarenana ity orinasam-panjakana ity. Orinasa sangany sy nanana ny lazany taty amin'ny faritra Atsimo atsinanan'i Afrika ny SECREN, raha fanamboarana sy fokojana sambo. Tsy nitsahatra nitontongana anefa ny orinasa noho antony samihafa na ara-pitantanana, na vokatry ny zava-misy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Mahalala tsara ny fanamby miandry azy ity Tale jeneraly vaovao ity noho izy mpiasa tao anatiny, niaina ireo olana ara-tsosialy sy sedra ara-teknika nolalovan'ny orinasa ary fijaliana ara-bola fototr'ireo fitokonana sy fitakiana matetika nataon'ny mpiasa tao. Karama amam-bolana maro no tsy voaloa, ny fisotroan-drononon'ireo mpiasa efa feno taona niasana miavosa...manginy fotsiny ny fanarenana ny fotodrafitrasa izay efa tena tranainy ary koa ny fanavaozana ireo fitaovana mba ho afaka mamaly ny filàna sy takin'ny vanim-potoana. Tombanana hatrany amin'ny 27 miliara Ariary ny filàna maika hiatrehana ny fanarenana raha ny nambaran'i Anthony Rakotoarisoa, Tale jeneraly mpisolo toerana vonjimaika. Nahita maso ny zava-misy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Kol. Michael Randrianirina, nandritra ny fitsidihany ity orinasam-panjakana ity tamin'ny fiandohan'ny volana janoary 2026. Nandritra izany no nilazany fa handresy lahatra ireo mpamatsy vola ny fitondram-panjakana mba hahitana vola hatrany amin'ny 30 tapitrisa dolara ho fanarenana ny orinasa SECREN. Etsy andanin'izany dia fantatra fa liana amin'ity orinasa ity ny vahiny toa an-dry zareo Rosiana. Vinavinaina hatao amin'ny zoma izao ny famindram-pitantanana eo amin'i Anthony Rakotoarisoa, Tale jeneraly mpisolo toerana vonjimaika sy i Félicien Milison, Tale jeneraly vao notendrena.
Jean D.
Félicien Milison, Tale jeneraly vaovao ny SECREN
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

Hijery ny tohiny
FTT