Mampanahy ny hoavin’ny Secren. Fantatra mantsy izao fa dia voasazy handoa vola 1.400 tapitrisa Ariary, miaraka amin’ny onitra 165 tapitrisa Ariary, ity orinasa malagasy mpanamboatra sambo reharehan’Antsiranana ity.
Fifanarahana ara-barotra tamin’ny volana desambra 2009 teo amin’ny Secren sy ny orinasa frantsay DCEI no niandohany. Nisy sambo mpanjono espaniôla hamboarin’ny Secren ary mety hampidi-bola hatrany amin’ny 10 miliara Ariary ho an’ny orinasa. Raikitra ny fifanekena fa ny DCEI no hany tokana mpamatsy kojakoja sy fitaovana ny Secren. Voalaza mazava fa tsy maintsy tonga alohan’ny 5 mey 2010 ny entana rehetra mba hanamboarana ilay sambo. Haloan’ny SECREN isam-bolana ny vidin’entana, manomboka ny volana martsa ka hatramin’ny volana aogositra 2010.
Fantatry ny filoha
Ny volana martsa 2010, taoriana kelin’io fifanarahana io anefa, dia nilaza ny Secren fa voaroaka ka nosoloina ny Tale Jeneraly. Nilaza tamin’ny DCEI ny Tale Jeneraly vaovao fa noho ny fahasahiranana eo anivon’ny orinasa dia 330 tapitrisa Ariary ihany aloha no azo aloa amin’iny volana martsa 2010 iny. Ny 29 novambra 2010 moa dia nilaza mihitsy indray ny Tale jeneralin’ny Secren, fa tsy manam-bola ny orinasa ka tsy afaka mamaritra fe-potoana handoavany ny trosan’ny DCEI izay vidin’ny fitaovana sy kojakoja lany tamin’ny nanamboarana ilay sambo espaniôla. Nisy ambim-bola 1 400 tapitrisa Ariary anefa tsy mbola voaloan’ny Secren tamin’ilay orinasa frantsay. Nandefa taratasy hatrany amin’ny Filohan’ny tetezamita sy ny ny Praiminisitra tamin’ny fotoan’androny ny mpitaky vola. Ny volana janoary 2011 dia nampanantena ny Secren fa nahazo fifanarahana vaovao fanamboarana sambo ka handoa ny trosa. Narahana taratasy, ny 26 janoary 2011, avy amin’ny minisitry ny varotra fampanantenana ny fandefasana ny vola mihitsy aza moa izany. Mahalala tsara ny fandehan-draharaha ny Filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina satria minisitry ny vola tamin’izany fotoana izy. Tamin’izany rahateo no nikarakarany ny vola nanamboarana ilay sekoly fampianaran’asa tao amin’ny Secren, izay vao notsidihany tamin’ny volana jona 2014 farany teo tany Antsiranana.
Boatin-drakitra mainty
Nampakatra fitsarana tany amin’ny tribonaly any Bobigny Lafrantsa ny orinasa tompom-bola ka nitory an’ny Secren ny 28 febroary 2012. Notsipahin’ny Secren ambongadiny tamin’ny alalan’ny mpisolovavany ny fanerena azy handoa ny ambim-bola ary nambarany, ny 11 septambra 2012, fa tsy mahefa amin’ity raharaha ity ny fitsarana any Frantsa. Nisamonta ny orinasa DCEI, ka dia nandrangaranga ny “Accord de coopération Franco-Malgache” nosoniavina ny taona 1975. Resy ny orinasa Secren ka nodidian’ny Tribonaly any Bobigny Frantsa handoa ny volan’ny DCEI mitentina 1 400 tapitrisa Ariary, miaraka amin’ny onitra 165 tapitrisa Ariary.
Raha tsy mahaloa io vola io ny orinasa Secren dia ho azon’ilay tompom-bola alaina ambongadiny ny orinasa manontolo. Ny mahagaga dia ny hoe, lasa aiza àry ilay vola 10 miliara Ariary natao antoka, vola tokony ho naloan’ilay sambo mpanjono espaniôla nanamboarana azy ? Sa very anjavony satria ny Secren, toa ny CNAPS, Jirama, Air Madagascar, Sirama, dia kitapom-bola hampiasain’ireo mpitondra rehefa misy ilany vola atao boatin-drakitra mainty? Sa ve misy resaka ambadika toy ny nanapotehana ny BTM, BFV izay banky niroborobo, fa niniana novonoina dia namidy mora. Ny Telma sy ny BNI moa izao dia lasan’ny karana rehefa avy nopotehina. Tonga indray koa izany ny anjaran’ny Secren, potehina, dia amidy ambongadiny mora ? Nanao fampakarana moa ny Secren tamin’io didim-pitsarana io, ka mbola andrasana izany amin’izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.