Orinasa QMM sy ny MEDD

Raikitra ny tetikasa ara-tontolo iainana 858 000 dolara isan-taona


  • Talata 05 Aogositra 2025

Miroso amin’ny fifanaraham-piaraha-miisa miisa 6 ny orinasa QIT Madagascar Minerals (QMM)

sy ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy (MEDD) araka ny fitsidihana sy fifampiresahana teo amin’io orinasa io sy ny Minisitera notarihin’ny Minisitra Max Andonirina Fontaine, izay nitsidika tany Mandena Faradofay ny 18 jolay. Hiompana amin’ny fampifandraisana ny fanarenana ara-tontolo iainana sy ny fampandrosoana ny mpiara-monina ity fiaraha-miasa ity. Misanda 858 000 dolara amerikana isan-taona mandritra ny dimy taona ny fiaraha-miasa mifandraika amin’ny fitantanana ireo faritra arovana tantanan’i QMM ao Mandena, Sainte-Luce, Petriky sy ireo tohanany ara-bola any Bemangidy Tsitongambarika Antsontso kaomina ambanivohitr’i Iaboakoho sy any Agnalazaha Mahabo distrikan’i Farafangana, faritra Atsimo Atsignana ireo fifanaraham-piaraha-miasa ireo, izay mifandray amin’ny tetikasa fambolenkazo ao anatin’ny fandaharanasa RSE (Responsabilité Sociétale de l’Entreprise) fandraisan’i QMM anjara amin’ny fampandrosoana ny mpiara-monina, araka ny fampitam-baovao. Hisy ny famokarana zanakazo 800 000 isa no isan-taona miaraka amin’ireo mpiara-monina, hahazoana vola 1 000 ariary isaky ny zanakazo isan’olona. Tafiditra ao anatin’io ny fambolena ilay zanakazo, ny fitanterana azy ireo sy ny karaman’ilay mpamboly. Miteraka fidiram-bola mivantana ho an’ireo mpiara-monina izany, sady mampandray anjara azy amin’ny fanarenana ny zavaboahary, hoy ny QMM. Manome lanja ny fifamenoana ara-biolojika ny teknika ampiasaina : zavamaniry karazany dimy isaky ny metatra toradroa no hovolena, hampisy fiaraha-miaina eo amin’ireo zava-maniry fa tsy miantehitra amin’ny voly tokana izay tsy mamokatra firy. Nisy noho izany ny fizarana zanakazo fihinam-boa sy jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro avy tamin’i QMM, natao ho mariky ny fahavononany hamaly ny filàn’ny mpiara-monina sy hampihenàna ny fahasimbàn’ireo loharanon-karena voajanahary. Fanamby napetraka ny hiantohana fa sady mahazo tombony no mandray anjara an-tsitrapo amin’ny fiampitana mankany amin’ny fametrahana tontolo iainana lovainjafy ny mpiara-monina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT