natokana ho an’ny sosialy na RSE
Nampahatsiahy ny orinasa Rio Tinto QMM manao fitrandrahana any Taolagnaro, fa maro ny fiheveran-diso manodidina ny RSE (Responsabilité Sociétale des Entreprises) na adidy ara-piarahamonin’ny orinasa. Nanazava noho izany ireo fa ny RSD dia tsy fizaràna vola ho an’ny vondron’olona voafantina, fa fandraisana anjara ara-tsosialy mikendry ny hanatsara amin’ny fomba maharitra ny fiainan’ny mpiara-monina rehetra. Ireo tetikasa dia mifantoka amin’ny fotodrafitrasa, ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fahavitàn-tena ara-tsakafo ary ny fanohanana ara-toekarena, ka tanterahina mba ho sitrahin’ny maro an’isa. Iaraha-manatanteraka amin’ireo mpisehatra ao an-toerana sy ny manampahefana, ary eo am-piandrasana ny didimpanjakana fampiharana ny fehezan-dalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany 2023, mipetraka ho santatra am-bavarano ny maodelim-pitantanana RSE n’i QMM. Nanomboka tamin’ny taona 2023, milaza i QMM fa nanokana vola mitentina 100 tapitrisa dolara mahery ho an’ny RSE, hampiasaina mandritra ny 25 taona. Ity famatsiambola vaovao ity dia nanolo ny fampiasam-bola 10 tapitrisa dolara tamin’ny 2022, izay natokana ho an’ny mpisitraka voafantina nandritra ny 3 taona. Raha ny sandany sy ny faharetany no jerena, dia anisan’ny fandraisana anjara ara-bola faran’ny betsaka indrindra teto Madagasikara izany, ary natokana ho sitrahin’ny ankamaroan’ny mpiara-monina eto Anôsy, hoy hatrany ny QMM. Nampahatsiahy ihany koa fa ny fahatoniana ara-tsôsialy sy ara-pamokarana no fototra ilaina amin’ny fametrahana sy faharetan’ny tetikasa RSE ary ny asa fitrandrahana. Na dia eo aza ny fiovaovan’ny tsena sy ny mety ho fatiantoka ara-bola, mijanona ho manan-kery hatrany ny fandaharanasa RSE sy ny fandoavana tamberim-bidy. Manaja ny zo haneho hevitra ao anatin’ny ara-dalàna tanteraka ny orinasa, saingy mandà sy manameloka ireo sakan-dalana sy fikasàna hanakorontana ny fandriampahalemana sy ny famokarana, izay misy fiantraikany tsy amin’ny orinasa ihany fa amin’ny asa sy ny toekaren’ny mpiara-monina manontolo. Vonona hatrany i QMM ny hiasa ao anatin’ny fifampiresahana, ny mangarahara ary ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, mba hahafahana manohy ny fampandrosoana maharitra ao anatin’ny fahatoniana sy mitera-bokatsoa ho an’ny mpiara-monina rehetra, hoy ity Orinasa ity.
Toky R
.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.