Actualités

Orinasa MILLOT Ambanja : Maty nisy nitifitra tao an-tranony ny « Comptable »


  • Alatsinainy 01 Febroary 2010

Mirongatra ny fanafihana mitam-piadiana ao an-tanŕnan’Ambanja Faritra DIANA ao tato ho ato. Ny faran’ny herinandro teo dia metisy sinoa iray “Comptable” ao amin’ny orianasa frantsay Millot, mamboly mamokatra ary manondrana “cacao” no lasibatra. Namoy ny ainy mihitsy tao anaty fifanjevoana.

 

Ny alin’ny zoma 29 janoary tokony ho tamin’ny fito ora hariva no nisy jiolahy telolahy mitam-basy niditra an-keriny tao an-tranon’ity metisy sinoa ity. Telo mianaka izy ireo no tao an-trano tamin’io fotoana io dia ilay “Comptable”, antsoina hoe Duvant sy ny vadiny ary ny zanany vavy 17 taona eo. Faran’ny volana ny andro, fotoana fandoavana karaman’ny mpiasa. Teo am-panisana sy manambatambatra ny vola karaman’ny mpiasa indrindra i Duvant no niditra ireo jiolahy. Ny vola no notadiavin’ireto farany, sady nandrahona tamin’ny basy. Alaivo avokoa izay tianareo halaina, fa aza vonoina izahay, hoy ilay “Comptable” nitalaho tamin’ireo jiolahy. Tsy nananan’ireto farany antra anefa izy. Tifitra ankitsirano tamin’ny basy kalachnikov teo amin’ny lohany no nasetrin’izy ireo azy, teo imason’ny vady aman-janany. Niditra teo ambany mason’ilay “Comptable” ny bala. Nandriaka ny ra. Tsy tana ny ain’ilay metisy sinoa, maty tsy tra-drano. Vola manodidina ny dimy tapitrisa ariary, saika handoavana karaman’ny mpiasa no lasan’ireo jiolahy. Araka ny loharanom-baovao dia toa fantatry ny zanaka vavin’ilay “Comptable” endrika ny iray tamin’ireo jiolahy, saingy norahonan’ireo jiolahy hovonoina koa izy raha mitoroka.
Herinandro vitsivitsy talohan’io dia vehivavy mpanangom-bokatra koa no lasibatry ny jiolahy tao Ankatafa. Telolahy manao fanamiana miaramila mirongo basy koa no nanafika azy teo am-pividianana vokatra. Manodidina ny enina tapitrisa ariary ny volany very tamin’izay. Andian-jiolahy iray ihany ve ireo ? Omaly hariva ihany moa dia re fa saron’ny zandary tao Antsohihy ny roa tamin’ireto andian-jiolahy nampihorohoro tao Ambanja ireto, ary saron’ny polisy ny roa hafa. Mandeha ny fanadihadiana azy ireo amin’izao fotoana izao.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT